Flag of Malaysia The Book of Common Prayer
United States England Scotland Ireland Wales Canada World

    Ny Boky Fivavahana
Portions of the Book of Common Prayer in Malagasy (1904)

 

NY BOKY FIVAVAHANA

MBAMY

NY FOMBA HAFA SY NY FILAHARANA FANAO AO AMY NY EKKLESIA

ARAKA NY FOMBAN'

NY EKKLESIA ANGLIKANA
(NA CHURCH OF ENGLAND)

ARY KOA

NY SALTERA

DIA

NY SALAMO NATAONY DAVIDA,

SY

NY FOMBA FANAO

AMY NY

FANAOVANA, FANENDRENA, SY FANAMASINANA

NY EVEKA, SY NY PRESBYTERA, ARY NY DIAKONO

SPCK logo
 

SOCIETY FOR PROMOTING CHRISTIAN KNOWLEDGE
LONDON: NORTHUMBERLAND AVENUE W. C.
1904.

 


 

 

 

NY FILAHARAN’

NY FIVAVAHANA MARAINA,

FANAO ISAN·ANDRO MANDRITRA. NY TAONA.


    Raha vao atomboka ny Fivavahana Maraina, dia hovakin' ny Ministera ny andininy iray na mihoatra amin' ireto tenin' ny Soratra Masina ireto, dia vao ny manaraka azy.
 

Morning Prayer

RAHA ny ratsy fanahy miala amy ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.   Ezek. xviii. 27.
    Tsaroako ny fahadisoako, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.   Sal. li. 3.
    Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra.   Sal. li. 9.
    Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia ny fanahy torotoro: ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andria­manitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.   Sal. li.17.
    Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena aminy Iehovah Andriamanitrareo: fa mamindrafo sy miantra Izy; mahari-po sady be famindrampo; ary manenina ny amy ny loza.   Ioel. ii. 13.
    Any ny Tompo Andriamanitray ny famindrampo sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay ka tsy nihaino ny feon’ Iehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraka teo anoloanay.   Dan. ix. 9, 10.
    Iehovah ô, anaro aho, nefa amy ny antonony hiany, fa tsy amy ny fahatezeranao, fandrao hatao­nao tonga tsinontsinona aho.   Ier. x. 24.
    Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny Fanjakan’ ny Lanitra.   S. Mat. iii, 2.
    Hiainga aho, dia hody any amy ny Raiko, ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamy ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony aho.   S. Lok. xv. 18, 19.
    Aza mifandahatra amy ny mpanomponao eo ampitsarana, Iehovah ô, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.   Sal. cxliii. 2.
    Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamitatena, ary ny marina tsy mba ao anatintsika; raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika, sy manadio antsika ho afaka amy ny tsy fahamarinana rehetra.   1 S. Iohana i. 8, 9.

RY malala, ny Soratra Masina mampirisika antsika hiaiky sy hanambara ny helotsika sy ny haratsiantsika; ary mba tsy hanafina azy eo anatrehan’ Andriamanitra Tsitoha, Raintsika any andanitra isika, fa hiaiky amy ny fo mietritena, sy mibebaka, ary mankatò, hahazoantsika ny famelana izany noho ny fahatsarany sy ny famindrampony tsi-hita lany. Ary na dia tokony hambarantsika amy ny fietrentena eo anatrehan’ Andriamanitra rahateo aza ny fahotantsika, dia vao mainka tokony hataontsika izany, raha miangona isika, hisaotra Azy noho ny zava-tsoa izay efa azontsika tamy ny tanany, sy hanao ny fiderana izay tokony ho Azy tokoa, sy handre ny Teniny Masina indrindra, ary hangataka izay zavatra ilaina, na ny ho any ny tenantsika, na ny ho any ny fanahintsika. Ary amin’ izany dia mangataka aminareo aho mba hiara­hantsika hanatona ny lapam-pahasoavana any an­danitra, amy ny fo madio sy ny feo manetritena, koa aoka hanaraka ahy hianareo manao hoe.

    ¶ Dia hiara-mandohalika ny mpiangona rehetra, ka hanao ny Fiaiken-keloka, tarihin’ ny Ministera.
 

Introductory Sentences

RAY Tsitoha sy mamindrafo indrindra ô; Efa diso izahay sady efa nania niala tamy ny lalanao tahaka ny ondry very. Efa nanaraka loatra ny fiheveran’ ny fonay sy ny sitraponay izahay. Efa nandika ny lalanao masina izahay. Efa tsy nanao izay zavatra tokony ho nataonay izahay. Ary efa nanao izay zavatra tsy tokony ho nataonay izahay; Ka tsy misy fahasalamana ao anatinay, Koanefa, Andriamanitra ô, mamindràfo aminay mpanota ma­hantra. Iantrao izay rehetra miaiky ny fahotany, Andriamanitra ô; Avereno izay mibebaka; Araka ny fampanantenanao ny olona nambaranao eo aminy Ieso Kristy Tomponay : Ary, amy ny alalany, Ray miantra indrindra ô, Aoka izahay mba hiaina amy ny fanahy tsara, sy marina, sy amy ny onony, hatramy ny ankehitriny, Ilo voninahitry ny Anara­nao masina. Amena.

    ¶ Dia hitsangana, ny Presbytera, ka hilaza ny Fame­lan-keloka, fa ny mpiangona dia mbola mandohalika hiany.

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Rainy Ieso Kristy Tompontsika, Izay tsy tia ny fahafatesan’ ny mpanota, fa aleony ny hialany amy ny haratsiany mba ho velona; sady efa nanome fahefana sy didy ny Ministerany hilaza amy ny olony ny Famelana ny helony, raha mibebaka : Izy dia mamela heloka izay rehetra mibebaka marina, sady mino tsy miha­tsaravelatsihy ny Filazantsarany masina. Koa aoka isika hifona aminy, hanomezany antsika fibebahana marina, sy ny Fanahiny Masina, mba hankasitra­hany izay zavatra ataontsika ankehitriny, ka ho madio sy masina ny fiainantsika sisa, hahatratra­rantsika ny fifaliany mandrakizay amy ny farany; amy ny alalany Ieso Kristy Tompontsika.

    ¶ Dia eto, ary isaky ny fahataperan’ ny fivavahana dia hamaly hoe “Amena” ny olona.

    ¶ Dia handohalika ny Ministera, ka hanao ny Fivavahan’ ny Tompo; ary ny olona mbola mandohalika hiany dia miara-manonona izany aminy,
 

Confession & Absolution

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay, Ary mamela ny helokay, tahaka ny ame­lanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy. Fa manafaha anay amy ny ratsy: Fa Anao ny fanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena.

Dia hataony hoe:
Tompo ô, sokafy ny molotray.
Valiny.
Ka ny vavanay hanambara ny fiderana Anao.
Presbytera,
Andriamanitra ô, faingana hamonjy anay.
Valiny.
Tompo ô, faingána hanampy anay.

Dia hitsangana izy rehetra ka hanao hoe:

    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;

Valiny.

    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria, Amena.

Presbytera.
Miderà ny Tompo hianareo.
Valiny.
Hoderaina anie ny Anaran’ ny Tompo.

    ¶ Dia hotononina na hohiraina io Salamo manaraka io: fa amy ny Alarobia, Andro Lavenona, izay han­aovana ny Salamo faha 54, sy amy ny Zoma Masina izay hanaovana ny Salamo faha-51 ary amy ny Andro Paska, izay anendrena Antifona hafa, dia hajanona izy; ary anefa amy ny andro faha-19 amy ny volana dia isan’ ny Salamo voatendry rahateo izy.

VENITE, EXULTEMUS DOMINO.

SALAMO XCV.

AVIA, aoka isika hihoby ho any Iehovah : aoka isika hanao feo fifaliana ho any ny Vatolampy famonjena antsika.
    Aoka hankeo anatrehany amy ny fiderana isika: aoka hanao feo fifaliana ho Azy amy ny fihirana isika.
    Fa Andriamanitra lehibe Iehovah : ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
    Eo an-tanany ny fitoerana lalina amy ny tany : ary Azy ny tendrombohitra avo.
    Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy: ary ny tany maina dia noforonin’ ny tanany.
    Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika : aoka isika handohalika eo anatrehany Iehovah, Mpanao antsika.
    Fa Izy no Andriamanitsika: ary olony fiandriny sy ondry tandremany isika.
    Enga anie ka ho henoinareo anio ny feony manao hoe, aza manamafy ny fonareo : tahaka ny tao Meriba, sy tahaka ny tamy ny andro tao Masa, fony tany an-efitra.
    Izay nakan’ ny razanareo fanahy Ahy : sy niza­hany toetra Ahy, na dia efa hitany aza ny asako.
    Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’ izany taranaka izany ka hoy Izaho: Olona maniasia amy ny fony izy, ka tsy mahalala ny làlako;
    Ka dia nianiana tamy ny fahatezerako aho hoe : tsy hiditra amy ny fitsaharako mihitsy izy.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka : ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

    ¶ Dia hatao amin’ izao ny Salamo araka ny filaha­rana voatendry. Ary ao amy ny faran’ ny isan-tSala­mo dia atao hoe ;

    Ho any ny Ray, etc.

    ¶ Ary manaraka izany dia hovakina ny Lesona voalohany avy amy ny Testamenta Taloha, araka izay voalahatra ao amy ny Kalendara, raha tsy misy hafa voatendry hatao amin’ izany andro izany: ny mpama­kiteny dia mitsangana, ka manatrika izay rehetra tafangona eo, mba handrenesany ny teny. Ary mana­raka izany, dia hotononina na hohiraina ny Fihirana atao hoe, Te Deum Laudamus, isan-andro. Fa amy ny Adventa kosa, ary hatramy ny Septuagesima ka hatramy ny Paska, dia, ny Benedicite no atao.

    ¶ Diniho. Alohan’ ny Lesona avy, dia holazain’ ny mpamakiteny hoe, Atomboka amy ny toko faha-, na amy ny andininy faha—, amy ny toko faha—, amy ny boky—. Ary rehefa voavaky dia hataony hoe, Tapitra ny Lesona voalohany, na faharoa.
 

Lord's Prayer

TE DEUM LAUDAMUS.

MIDERA Anao izahay, Andriamanitra ô : manaiky Anao ho Tompo izahay.
    Mitsaoka Anao ny tany rehetra: Ray mandraki­zay.
    Midera Anao ny Anjely rehetra : ny Lanitra sy ny Heriny rehetra.
    Midera Anao amy ny feo tsy mitsahatra : ny Kerobima sy ny Serafima hoe:
    Masina, Masina, Masina: Tompo Andriamanitry ny Sabaôta.*
    Manerana ny Lanitra sy ny Tany : ny Fiandria­nan’ ny Voninahitrao.
    Midera Anao: ny fivorian’ ny Apostolo malaza.
    Midera Anao: ny fikambanan’ ny Profeta † tsara.
    Midera Anao: ny hamaroan’ ny Martyra mitafy lamba fotsy.
    Manaiky Anao ny Ekklesia masina: manerana izao tontolo 'izao.
    Ray manana fiandrianana: tsi-hita lany;
    Ny Zanakao be voninahitra: sy marina, ary lahitokana;
    Ary ny Fanahy Masina : Izay Parakleto.
    Hianao no Mpanjakan’ ny Voninahitra: Kristy ô. Hianao no Zanaky ny Ray: mandrakizay.
    Raha vao naka ny fomban’ olona hanavotana azy Hianao: dia tsy nolavinao ny ho ao ambohoky ny Virjina.
    Rehefa nandresy ny fanindronan’ ny fahafatesana Hianao: dia novohanao ny Fanjakan’ ny Lanitra hidiran’ ny mino rehetra.
    Mipetraka ao an-tánana ankavanan’ Andriamanitra Hianao : ao amy ny Voninahitry ny Ray.
    Mino izahay fa ho avy Hianao : ho Mpitsara anay.
    Izany no ifonanay aminao, mba hanampianao ny mpanomponao: izay navotanao tamy ny ranao soa indrindra.
    Ataovy isan’ ny Santanao izy: any amy ny voninahitra mandrakizay.
    Tompo ô, vonjeo ny olonao; ary tahio ny lovanao.
    Manapaha azy: ary asandrato mandrakizay izy.
    Mankalaza Anao: isanandro isanandro izahay.
    Ary mitsaoka ny Anaranao: mandrakizay izahay.
    Aoka ho sitrakao, Tompo ô: hiaro anay anio tsy hanota.
    Mamindráfo aminay, Tompo ô: mamindráfo aminay.
    Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao : araka izay itokianay Anao.
    Tompo ô, Hianao no efa nitokiako : aoka aho tsy to menatra mandrakizay.

Na ity.

BENEDICITE, OMNIA OPERA.

HIANAREO rehetra Asany Iehovah, misaora any  Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandraki­zay.
    Hianareo Anjeliny Jehovah, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Lanitra, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Rano izay eo ambonin’ ny habakabaka, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo heriny Iehovah, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Masoandro sy Volana, misaora any Ieho­vah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Kintana eo amy ny Lanitra, misaora any Jehovah: miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Ranonorana sy Ando, misaora any Ieho­vah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Rivotr’ Andriamanitra, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Afo sy Hafanana, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Ririnina sy Fahavaratra, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Ando sy Fanala, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà. Azy mandrakizay.
    Hianareo Fanala sy Hatsiaka, misaora any Ieho­vah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Ranomandry sy Orampanala, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà Azy mandraki­zay.
    Hianareo Alina sy Andro, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Mazava sy Maizina, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Az.y mandrakizay.
    Hianareo Varatra sy Rahona, misaora any Ieho­vah . miderà sy mankalazà Azy mandrakizay,
    Aoka ny Tany hisaotra any Iehovah: eny, aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay.
    Hianareo Tendrombohitra sy Havoana, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà Azy mandraki­zay.
    Hianareo Zava-maniry rehetra ambonin’ ny tany misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Loharano, misaora any Iehovah : miderà. sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Ranomasina, sy Renirano, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Trozona, sy izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Vero-manidina, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà Azy mandrakizay. Hianareo Biby sy Omby rehetra, misaora any Jehovah: miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Zanak’ olombelona, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Aoka Israely hisaotra any Iehovah : hidera sy han­kalaza Azy mandrakizay.
    Hianareo Mpanompony Iehovah, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Mpisorony Iehovah, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Aina sy Fanahin’ ny Marina, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandrakizay.
    Hianareo Olona masimpo sy mietritena, misaora any Iehovah : miderà sy mankalazà Azy mandraki­zay.
    Ry Anania, Azaria, sy Misaely, misaora any Iehovah: miderà sy mankalazà. Azy mandrakizay.
    Aoka hisaorantsika ny Ray, sy ny Zanaka, ary ny Fanahy Masina: aoka Izy hoderaintsika sy hankalazaintsika mandrakizay. ,
    Hisaorana anie Hianao Tompo ô, ao amy ny haba­kabaky ny Lanitra : fa tokony hoderaina sy hohaja­ina. ary hankalazaina mandrakizay. Amena.

    ¶ Rehefa vita izany, dia hovakina ny Lesona faharoa avy amy ny Testamenta Vaovao. Ary dia hohiraina ny Fihirana atao hoe, Benedictus, afa-tsy raha sendra hovakina amy ny Lesona voatendry izy, na amy ny Fila­zantsara amy ny andro Festany S. Iohana Mpanaoba­tisa.
 

 

 

 

 

 

* Hamaroana.

 

† Olona voafidin’ Andriamanitra ho mpilaza ny teniny.

BENEDICTUS.

S. Lioka i. 68.

HISAORANA anie ny Tompo, Andriamanitry ny Israely: fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fana­votana ho azy;
    Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika: tamy ny taranaky Davida mpanompony Izy.
    Araka izay nampilazainy ny Profetany masina: hatramy ny fahagola.
    Dia famonjena antsika amy ny fahavalontsika: sy amy ny tanan’ izay rehetra mankahala antsika; Manefa famindrampo amy ny razantsika Izy: sady mahatsiaro ny fanekeny masina;
    Dia ny fianianana izay nianianany: taminy Abra­hama razantsika:
    Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra : satria afaka amy ny fahavalontsika isika.
    Amy ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany: amy ny andro rehetra hiainantsika.
    Ary hianao, ry zaza, dia hatao hoe, Profetan’ ny Avo indrindra: fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo hianao, hamboatra ny làlany ;
    Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena : amy ny famelana ny helony.
    Noho ny halehiben’ ny famindrampon’ ny Andri­amanitsika : izay niposahan’ ny mazava avy any amy ny avo antsika; .
    Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amy ny maizina, sy ao amy ny aloky ny fahafatesana: hanitsy ny diantsika ho amy ny lálam-piadanana.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay doria doria. Amena.

Na ity Salamo ity.

JUBILATE DEO. Salamo c.

MIHOBIA ho any Jehovah, ry tany rehetra: manompoa any Iehovah amy ny fifaliana, manka­nesa eo anatrehany amy ny fihobiana.
    Aoka ho fantatrareo fa Iehovah no Andriamanitra:
    Izy no nanao antsika, ary Azy isika; dia olony sy ondry fiandriny.
    Midira eo amy ny vavahadiny amy ny fisaorana, ary eo an-kianjany amy ny fiderana: misaora Azy, mankalazà ny Anarany.
    Fa tsara Iehovah, mandrakizay ny famindrampony: ary mihatra amy ny taranaka faramandimby ny fahamarinany.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

    ¶ Ary izao dia hotononina na hohirain’ ny Ministera sy ny olona mitsangana ny Symbolon’ ny Apostolo ; afa-tsy amy ny andro izay hanaovana ny Symbolony S. Atanasio,
 

 

IZAHO mino an’ Andriamanitra, Ray Tsitoha, Mpa­nao ny lanitra sy ny tany :
    Ary any Ieso Kristy, Zanani-lahitokana, Tompo­ntsika, Izay torontoronina tamy ny herin’ ny Fanahy Masina; Nateraky Maria Virjina; Nijaly tamy ny nanapahany Pontio Pilato; Nohomboana tamy ny hazofijaliana, dia maty, ka nalevina; Nidina tany amy ny fiainantsihita ; Ary nony tamy ny andro fahatelo dia nitsangana tamy ny maty; Dia niakatra any an-danitra; Ary mipetraka eo amy ny tánan’ ankavanan’ Andriamanitra, Ray Tsitoha; Ary avy any no hihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.
    Izaho mino ny Fanahy Masina: Ny Ekklesia Masina Katolika; Ny Fiombonan’ ny Santa; Ny famelan-keloka; Ny Fitsanganan’ ny tena amy ny maty; Ary ny Fiainana mandrakizay. Amena.

    ¶ Rehefa vita izany, dia handohalika indray ny olona rehetra, dia hatao izao Fivavahana izao, ary ny Ministera aloha no hanao hoe:

Momba anareo ny Tompo.

Valiny.
Ary momba ny fanahinao.

Ministera.
Aoka isika hivavaka.

Tompo ô, mamindráfo aminay.
Kristy ô, mamindráfo aminay.
Tompo ô, mamindráfo aminay.

    ¶ Dia hiara-manonona ny Fivavahan’ ny Tompo ny Ministera sy ny olona.
 

 

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anio ny Anaranao : Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamela ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy : Fa manafaha anay amy ny ratsy. Amena.

Dia hitsangana ny Presbytera, ka hanao hoe:

Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao,

Valiny.
Ary omeo anay ny famonjenao,

Presbytera.
Tompo ô, vonjeo ny Mpanapaka.

Valiny.
Ary henoy amy ny famindramponao izahay, raha mitaraina aminao.

Presbytera.
Tafio fahamarinana ny Ministeranao.

Valiny.
Ary ampifalio ny olom-pidinao.

Presbytera.
Tompo ô, vonjeo ny olonao.

Valiny.
Ary tahio ny lovanao,

Presbytera.
Tompo ô, omeo fiadanana amy ny andronay.

Valiny.
    Satria tsy misy miady ho anay, afa-tsy Hianao irery hiany, Andriamanitra ô.

Presbytera.
Andriamanitra ô, diovy ny fonay ao anatinay.

Valiny.
Ary aza esorina aminay ny Fanahinao Masina.

    ¶ Ary izao dia misy kolekta telo hatao: ny voalohany dia ny kolekta izay efa voatendry hatao isanandro ao amy ny Komoniona.
 

Lord's Prayer

NY KOLEKTA FAHAROA FANGATAHANA FIADANANA.

ANDRIAMANITRA ô, Hianao no fototry ny fiada­nana sy mpitia ny fihavanana, ny fahalalana Anao no fiainana mandrakizay, ny fanompoana Anao no fahafahana lavorary: Arovy amy ny fahavalonay rehetra izahay mpanomponao mietritena mba tsy hatahoranay ny hery amelezany anay, hitokianay tokoa ny fiarovanao : noho ny heriny Ieso Kristy Tomponay. Amena.
 

2nd Collect, for Peace

NY KOLEKTA FAHATELO FANGATAHANA FAHASOAVANA.

TOMPO ô, Rainay any an-danitra, Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay, Hianao efa nitondra anay soa aman-tsara ho tratry ny niantombohan’ ity andro ity: Arovy amy ny herinao izahay amin’ izany, ary aza avela mba ho potraka akory amy ny fahotana izahay, na ho tratry ny loza na inona na inona, fa aoka hotapahinao izay rehetra ataonay, hanaovanay mandrakariva izay mety eo imasonao : amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay. Amena.

Dia hatao amin’ izao ny hira.

Rehefa vita ny hira, dia hovakina ny Fivavahana araka izay voatendry, afa-tsy amin’ izay amakiana ny Litany.
 

3rd Collect, for Grace

FIVAVAHANA HO ANY NY PRESIDENTAN’ NY REPOBLIKA FRANTSAY, SY NY MANAM-PAHEFANA REHETRA.

ANDRIAMANITRA be fahasoavana indrindra ô, mangataka aminao izahay mietritena ho any ity Fanjakana ity, ka indrindra ho an’ ny Presi­dentan’ ny Repoblika Frantsay sy ny Gouverneur General ary ny mpanolo-tsaina azy. Aoka ho sitrakao hitarika sy hanambina ny fiheverany re­hetra, hampandrosoana ny voninahitrao, hanatsarana ny Ekklesianao, hiarovana sy hanambinana ity tany ity; mba handaharany sy hahavitany ny zavatra rehetra amy ny fanorenana tsara sady mafy indri­ndra, hahatafatoetra eto aminay ny fihavanana sy ny fahasambarana, ny fahamarinana sy ny fahitsi­ana, ny fivavahana marina sy ny fahamasinampa­nahy, hatramy ny taranaka faramandimby. Izany, sy izay rehetra hahasoa ny Ekklesianao no angata­hinay amy ny fietrentena : amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay isaorana indrindra sy Mpamonjy anay. Amena.
 

Prayer for the President of France

FIVAVAHANA HO ANY NY KLERJÉ SY NY OLONA.

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, Hianao hiany no manao fahagagana lehibe: Ampidino ho amy ny Eveka sy ny Klerjé rehetra aminay, sy amy ny Fiangonana rehetra izay tandro­many, ny fahasoavan’ ny Fanahinao mahafinaritra, ary alatsaho aminy ny andon’ ny fitahianao mandra­kizay mba hanaovany izay rehetra sitrakao tokoa. Omeo azy izany, Tompo ô, noho ny voninahitry Ieso Kristy, Mpandahatra ny teninay sy Mpanalalana ho anay. Amena.
 

Prayer for Clergy & People

FIVAVAHANY S. KRYSOSTOMA.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa nanome anay fahasoavana hiraisanay saina hangataka aminao ankehitriny izao. Hianao manaiky hanome izay angatahin’ ny roa aman-telo miangona amy ny Anaranao; Tanteraho amin’ izao, Tompo ô, ny anga­tahinay mpanomponao, araka izay antonony ho anay: ampahalalao ny fahamarinanao izahay amin’ izao fiainana izao ary amy ny ho avy omeo fiainana mandrakizay. Amena.

2 Kor. xiii, 14.

NY fahasoavany Ieso Kristy Tompontsika, sy ny fitiavan’ Andriamanitra, ary ny firaisan’ ny Fanahy Masina, ho amintsika rehetra anie mandra­kizay. Amena.

Tapitra izao ny filaharan’ ny Fivavahana fanao isa-maraina.
 


 

Prayer of St. Chrysostom

NY FILAHARAN’

NY FIVAVAHANA HARIVA,

FANAO 1ISAN-ANDRO MANDRITRA NY TAONA.


    Raha vao atomboka ny Fivavahana Maraina, dia hovakin’ ny Ministera ny andininy iray na mihoatra amin’ ireto tenin’ ny Soratra Masina ireto, dia vao ny manaraka azy.
 

Evening Prayer

RAHA ny ratsy fanahy miala amy ny faharatsiana nataony, ka manao izay marina sy mahitsy, dia hovelominy ny fanahiny.   Ezek xviii. 27.
    Tsaroako ny fahadisoaka, ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.   Sal. li. 3.
    Afeno ny tavanao ny fahotako, ary vonoy ny heloko rehetra.   Sal. li. 9.
    Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra dia ny fanahy torotoro: ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andria­manitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona.   Sal.li.17.
    Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ Iehovah Anc1riamanitrareo: fa mamindrafo sy miantra Izy; mahari-po sady be famindrampo; ary manenina ny amy ny loza.   Ioel. ii. 13.
    Any ny Tompo Andriamanitray ny famindrampo sy ny famelan-keloka, satria efa niodina taminy izahay ka tsy nihaino ny feon’ Iehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraka teo anoloanay.    Dan. ix, 9, 10.
    Iehovah ô, anaro aho, nefa amy ny antonony hiany, fa tsy amy ny fahatezeranao, fandrao hatao­nao tonga tsinontsinona aho.   Ier. x. 24.
    Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny Fanjakan’ ny Lanitra.   S. Mat. iii. 2.
    Hiainga aho, dia hody any amy ny Raiko, ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamy ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony aho.   S. Lok. xv. 18, 19.
    Aza mifandahatra amy ny mpanomponao eo ampitsarana, Iehovah ô, fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.   Sal. cxliii. 2.
    Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mami­ta tena, ary ny marina tsy mba ao anatintsika; raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika, sy manadio antsika ho afaka amy ny tsy fahamarinana rehetra.  1 S. Iohana. i. 8, 9.

RY malala, ny Soratra Masina mampirisika antsika hiaiky sy hanambara ny helotsika sy ny haratsiantsika; ary mba tsy hanafina azy eo anatre­han’ Andriamanitra Tsitoha, Raintsika any an­danitra isika, fa hiaiky amy ny fo mietritena, sy mibebaka, ary mankato, hahazoantsika ny famelana izany noho ny fahatsarany sy ny famindrampony tsi-hita lany. Ary na dia tokony hambarantsika amy ny fietrentena eo anatrehan’ Andriamanitra rahateo aza ny fahotantsika, dia vao mainka tokony hataontsika izany, raha miangona isika, hisaotra Azy noho ny zava-tsoa izay efa azontsika tamy ny tanany, sy hanao ny:fiderana izay tokony ho Azy tokoa, sy handre ny Teniny Masina indrindra, ary hangataka izay zavatra ilaina, na ny ho any ny tenantsika, na ny ho any ny fanahintsika. Ary amin’ izany dia mangataka aminareo aho mba hiara­hantsika hanatona ny lapam-pahasoavana any an­danitra, amy ny fo madio sy ny feo manetritena, koa, aoka hanaraka, ahy hianareo manao hoe;

    ¶ Dia hiara-mandohalika ny mpiangona rehetra, ka hanao ny Fieken-keloka, tarihin’ ny Ministera.
 

Introductory Sentences

RAY Tsitoha sy mamindrafo indrindra ô; Efa diso izahay sady efa nania niala tamy ny lalanao tahaka ny ondry very. Efa nanaraka loatra ny fiheveran’ ny fonay sy ny sitraponay izahay. Efa nandika ny lalanao masina izahay. Efa tsy nanao izay zavatra tokony ho nataonay izahay. Ary efa nanao izay zavatra tsy tokony ho nataonay izahay; Ka tsy misy fahasalamana ao anatinay. Koanefa, Andriamanitra ô, mamindráfo aminay mpanota ma­hantra. Iantrao izay rehetra miaiky ny fahotany, Andriamanitra ô j Avereno izay mibebaka; Araka ny fampanantenanao ny olona nambaranao eo aminy Ieso Kristy Tomponay : Ary, amy ny alalany, Ray miantra indrindra ô, Aoka izahay mba hiaina amy ny fanahy tsara, sy marina, sy amy ny onony, hatramy ny ankehitriny, Ho voninahitry ny Anara­nao masina. Amena.

    ¶ Dia hitsangana ny Presbytera, ka hilaza ny Fame­lan-keloka, fa ny mpiangona dia mbola mandohalika hiany.

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Rainy Ieso Kristy Tompontsika, Izay tsy tia ny fahafatesan’ ny mpanota, fa aleony ny hialany amy ny haratsiany mba ho velona j sady efa nanome fahefana sy didy ny 1\1inisterany hilaza amy ny olony ny Famelana ny helony, raha mibebaka : Izy dia mamela heloka izay rehetra mibebaka marina sady mino tsy miha­tsaravelatsihy ny Filazantsarany masina. Koa aoka isika hifona aminy, hanomezany antsika fibebahana marina, sy ny Fanahiny Masina, mba hankasitra­hany izay zavatra ataontsika ankehitriny, ka ho madio sy masina ny fiainantsika sisa, hahatratra­rantsika ny :fifaliany mandrakizay amy ny farany: amy ny alalany Ieso Kristy Tompontsika.

    ¶ Dia eto, ary isaky ny fahatoperan’ ny fivavahana dia hamaly hoe “Amena” ny olona.

    ¶ Dia handohalika ny Ministera, ka hanao ny Fivavahan’ ny Tompo; ary ny olona mbola mandohalika hiany dia miara-manonona izany aminy.
 

Confession & Absolution

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie , ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Hatao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamela ny helokay, tahaka ny ame­lanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy. Fa manafaha anay amy ny ratsy: Fa Anao ny fanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena.

Dia hataony hoe:
Tompo ô, sokafy ny molotray.

Valiny.
Ka ny vavanay hanambara ny fiderana Anao.
Presbytera.
Andriamanitra ô, faingana hamonjy anay.
Valiny.
Tompo ô, faingána hanampy anay.

Dia hitsangana izy rehetra ka hanao hoe.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
 
Valiny.
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny : ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

Presbytera .
Midera ny Tompo hianareo.

Valiny.
Hoderaina anie ny Anaran’ ny Tompo.

    ¶ Dia hotononina na hotononina ny Salamo araka ny Filaharana voatendry hatao. Ary rehefa vita izany dia hanaraka ny Lesona voatendry avy amy ny Testa­menta Taloha. Ary manaraka izany ny Magnificat, dia ny fihirana nataony Maria Virjina Sambatra, toy izao:

MAGNIFICAT.
S. Lioka i. 47.

NY foko mankalazà ny Tompo: ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra Mpamonjy ahy.
    Fa efa nijery: ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy.
    Fa indro, hatramy ny ankehitriny: dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
    Fa ny mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko: ary masina ny Anarany.
    Ary ny famindrampony dia amin’ izay matahotra Azy: hatramy ny taranaka fara-mandimby.
    Nanao asa lehibe tamy ny sandriny Izy: nampi­hahaka ny mpiavonavona tamy ny fiheveran’ ny fony Izy.
    Nampiala ny lehibe tamy ny seza-fiandrianany Izy: ary nanandratra ny ambany kosa.
    Ny noana novokisany soa: fa ny manankarena kosa nampialainy maina .
    Niahy any Israely mpanompony Izy: fa naha­tsiaro ny famindrampony.
    Araka ny voalazany tamy ny razantsika: taminy Abrahama, sy ny taranany mandrakizay.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

    ¶ Na ity; afa-tsy amy ny andro faha 19 amy ny volana, fa amin’ izany andro izany dia hovakina izy ao amy ny Salamo voatendry.
 

Lord's Prayer

CANTATE DOMINO.
Salamo xcviii.

MIHIRA fihiram-baovao ho any Jehovah : fa efa nanao fahagagana Izy.
    Ny tanany ankavanana, sy ny sandriny masina: no nahavitany ny famonjena.
    Iehovah efa nampahafantatra ny famonjeny : teo imason’ ny gentilisa no nanehoany ny fahamari­nany.
    Efa nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahama­rinany tamy ny taranaky Israely Izy: efa na­hita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
    Mihobia ho any Iehovah ry tany rehetra: velomy ny hoby, ka mihira.
mankalazà any Iehovah amy ny lokanga: dia amy ny lokanga sy ny feo fihirana.
    Amy ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara: ka mihobia eo anatrehan’ Iehovah Mpanjaka.
    Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy: izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
    Aoka hiteha-tánana ny riaka; aoka hiaramihoby aminy koa ny tendrombohitra eo anatrehany Ieho­vah : fa avy hitsara ny tany Izy.
    Hitsara izao rehetra izao amy ny fahamarinana Izy: ary ny firenena amy ny fahitsiana.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka; ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

    ¶ Ary izao dia manaraka ny Lesona avy amy ny Testamenta Vaovao. Ary manaraka izany ny Nunc Dimittis dia ny fihirana nataony Symeon, toy izao:

NUNC DIMITTIS.
S. Lioka ii. 20.

TOMPO ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefa­nao amy ny fiadanana: araka ny teninao.
    Fa ny masoko efa nahita: ny famonjenao,
    Izay namboarinao : teo anatrehan’ ny firenena rebetra;
    Dia fahazavana hahazava ny firenena: sady voni­nahitry ny Israely olonao.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka : ary ny Fanahy Masina anie ny vohinahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

Na ity Salamo ity, afatsy amy ny andro faha-12 amy ny volana.

DEUS MISEREATUR.

ANDRIAMANITRA anie hamindrafo aminay, sy hitahy anay : hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy.
    Mba ho fantatra aty ambonin’ ny tany ny lalanao: ny famonjenao any amy ny jentilisa rehetra.
    Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô : hidera Anao ny firenena rehetra.
    Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamihafa , satria mit­sara marina ny firenena Hianao, ny firenen-tsamihafa ambonin’ ny tany dia entinao .
    Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô : hidera Anao ny firenena rehetra.
    Ny tany efa nahavokatra: mitahy antsika Andria­manitra, dia Andriamanitsika.
    Mitahy antsika Andriamanitra: ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka : ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra;
    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny; ary mandrakariva, ho mandrakizay, doria doria. Amena.

    ¶ Ary izao dia hotononina na hohirain’ ny Ministera sy ny olona mitsangana ny symbolon’ ny Apostolo.
 

 

IZAHO mino an’ Andriamanitra, Ray Tsitoha, Mpanao ny Lanitra sy ny Tany:
    Ary any Ieso Kristy, Zanani-lahi-tokana Tompo­ntsika, Izay torontoronina tamy ny herin’ ny Fanahy Masina; Nateraky Maria Virjina, Nijaly tamy ny nanapahany Pontio Pilato; Nohomboana tamy ny hazo-fijaliana, dia maty ka nalevina; Nidina tany amy ny fiainantsihita ; Ary nony tamy ny andro fahatelo, dia nitsangana tamy ny maty; Dia niakatra any an-danitra; Ary mipetraka eo amy ny tánan’ ankavanan’ Andriamanitra, Ray Tsitoha : Ary avy any no hihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.
    Izaho mino ny Fanahy Masina; Ny Ekklesia Masina Katolika; Ny Fiombonan’ ny Santa : Ny Famelan-keloka; Ny Fitsanganan’ ny teny amy ny maty; Ary ny Fiainana mandrakizay. Amena.

    ¶ Rehefa vita izany, dia handohalika indray ny olona rehetra, dia hatao izao Fivavahana izao ary ny Ministera aloha no hanao hoe:

Momba anareo ny Tompo.

Valiny.
Ary momba ny fanahinao.

Presbytera.
Aoka isika hivavaka.

Tompo ô, mamindrafo aminay.
Kristy ô mamindráfo aminay.
Tompo ô, mamindrafo aminay.

    ¶ Dia hiara-manonona ny Fivavahan’ ny Tompo ny Ministera sy ny olona.
 

Apostles'Creed

RAINAY Izay any an-danitra, Hohamasinina anie ny Anaranao: Ho tonga anie ny fanjakanao: Ha­tao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay, Ary mamela ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy; Fa manafaha anay amy ny ratsy. Amena.

Dia hitsangana ny Presbytera ka hanao hoe:

Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao,

Valiny.
Ary omeo anay ny famonjenao,

Presbytera.
Tompo ô, vonjeo ny Mpanapaka.

Valiny.
AIY henoy amy ny famindramponao izahay, raha mitaraina aminao.

Presbytera.
Tafio fahamarinana ny Ministeranao.

Valiny.
Ary ampifalio ny olom-pidinao,

Presbytera;
Tompo ô, vonjeo ny olonao.

Valiny.
Ary tahio ny lovanao,

Presbytera.
Tompo ô, omeo fiadanana amy ny andronay.

Valiny.
Satria tsy misy miady ho anay, afa-tsy Hianao irery hiany, Andriamanitra ô.

Presbytera.
Andriamanitra ô, diovy ny fonay ao anatinay.

Valiny.
Ary aza esorina aminay ny Fanahinao Masina.

    ¶ Ary izao dia misy kolekta telo hatao: ny voalohany dia ny kolekta izay efa voatendry hatao isan-andro ao amy ny Komoniona.
 

Lord's Prayer

NY KOLEKTA FAHAROA FANGATAHANA FIADANANA.

ANDRIAMANITRA ô, avy aminao ny faniriana masina, sy ny hevitra tsara, ary ny asa marina rehetra: Omeo anay mpanomponao ny fiadanana izay tsy azon’ izao tontolo izao omena, hifikiran’ ny fonay amy ny fankatoavanay ny didinao, sy hana­fahanao anay amy ny tahotra ny fahavalonay hia­dananay amy ny andronay noho ny fiarovanao anay: amy ny alalany Ieso Kristy Mpamonjy anay. Amena.
 

2nd Collect at Evening Prayer

NY KOLEKTA FAHATELO FANGATAHANA FIAROVANA.

TOMPO ô, mifona aminao izahay, hazavao ny faha­maizinanay; ary aoka ny famindramponao lehibe no hiarovanao anay amy ny loza sy ny tahotra anio alina: amy ny alalany Ieso Kristy, Zanakao Lahi­tokana Mpanavotra anay.

Dia hatao amin’ izao ny hira.
 

3rd Collect, for Aid against all Perils

FIVAVAHANA HO AKY NY PRESIDENTAN’ NY REPOBLIKA FRANTSAY, SY NY l\IAN AM-P AHEF AN A REHETRA.

ANDRIAMANITRA be fahasoavana indrindra ô, mangataka aminao izahay mietritena ho any ity Fanjakana ity, ka indrindra ho an’ ny Presidentan’ ny Repoblika Frantsay sy ny Gouverneur General ary ny mpanolo-tsaina azy. Aoka ho sitra­kao hitarika sy hanambina ny fiheverany rehetra, hampandrosoana ny voninahitrao, hanatsarana ny Ekklesianao, hiarovana sy hanambinana ity tany ity; mba handaharany sy hahavitany ny zavatra rehetra amy ny fanorenana tsara sady mafy indrin­dra, hahatafatoetra eto aminay ny fihavanana sy ny fahasambarana, ny fahamarinana sy ny fahitsiana, ny fivavahana marina sy ny fahamasinam-panahy, hatramy ny taranaka faramandimby. Izany, sy izay rehetra hahasoa ny Ekklesianao no angatahinay amy ny fietrentena : amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay isaorana indrindra sy Mpamonjy anay. Amena.
 

Prayer for the President of France

FIVAVAHANA HO ANY NY KLERJÉ SY NY OLONA.

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, Hianao hiany no manao fahagagana lehibe : Ampidino ho amy ny Eveka sy ny Klerjé rehetra aminay, sy amy ny Fiangonana rehetra izay tandre­many, ny fahasoavan’ ny Fanahinao mahafinaritra, ary alatsaho aminy ny andon’ ny fitahianao mandra­kizay mba hanaovany izay rehetra sitrakao tokoa. Omeo azy izany, Tompo ô, noho ny voninahitry Ieso Kristy, Mpandahatra ny teninay sy Mpanala­lana ho anay. Amena.
 

Prayer for Clergy & People

FIVAVAHANY S. KRYSOSTOMA.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa na­nome anay fahasoavana hiraisanay saina hanga­taka aminao ankehitriny izao, Hianao manaiky hanome izay angatahin’ ny roa aman-telo miangona amy ny Anaranao; Tanteraho amin’ izao Tompo ô, ny angatahinay mpanomponao, araka izay antonony ho anay : ampahalalao ny fahamarinanao izahay amin’ izao fiainana izao, ary amy ny ho avy omeo fiainana mandrakizay. Amena.

 2 Kor. xiii, 14.

NY fahasoavany Ieso Kristy Tompontsika, sy ny fitiavan' Andriamanitra, ary ny firaisan’ ny Fanahy Masina, ho amintsika rehetra anie mandra­kizay. Amena.

Tapitra izao ny filaharan’ ny Fivavahana fanao isan-kariva.

Prayer of St. Chrysostom

 
Return to the Book of Common Prayer in Malagasy

 

Web author: Charles Wohlers U. S. EnglandScotlandIrelandWalesCanadaWorld