Flag of Malaysia The Book of Common Prayer
United States England Scotland Ireland Wales Canada World

    Ny Boky Fivavahana
Portions of the Book of Common Prayer in Malagasy (1904)

 

AMY NY FIVAVAHANA MARAINA.


    ¶ Amin’ ireto Festa ireto, dia  ny Andro Krist­masy, ny Epifany, S. Matiasy, ny Andro Paska, ny Andro Niakarana, ny Andro Pentekosta S. Iohana Mpanaobatisa, S. Jakoba, S. Bartolomeo, S. Mateo, SS. Simona sy Ioda, S. Andrea ary ny Ala­hadin' ny Trinité, dia hohiraina na hotononin’ ny Ministera sy ny olona miara-mitsangana aminy amy ny Fivavahana Maraina, asolo ny Symbolon’ ny Apostolo, ity Faneken’ ny Finoantsika Kristiana ity, izay atao hoe : Ny Symbolony S. Atanasio.

QUICUNQUE VULT.

IZAY rehetra mitady famonjena : dia tsy maintsy mitana indrindra ny Finoana Katolika izy.
    2 Fa raha tsy mitana izany finoana izany ho tanteraka sady tsy misy kilema izy: dia tsy maintsy ho very mandrakizay.
    3 Ary ny Finoana Katolika dia izao: Nymtsaoka an' Andriamanitra Iray ao amy ny Trinité, ary ny Trinité ao amy ny Unité.
    4 Tsy mampifangaroharo ny Persona : na mizara ny Substantia.
    5 Fa hafa ny Persona any ny Ray, ary hafa ny any ny Zanaka: ary hafa ny any ny Fanahy Masina.
    6 Kanefa iray hiany ny fomban' Andriamanitra, na ny any ny Ray,na ny any ny Zanaka, na ny any ny Fanahy Masina : ny voninahitra dia mitovy, ary ny fahandrianana dia miaramaharitra mandra­kizay.
    7 Izay any ny Ray, dia any ny Zanaka: ary any ny Fanahy Masina koa.
    8 Ny Ray tsy noforonina, ny Zanaka tsy no­foronina : ary ny Fanahy Masina koa tsy noforo­nina.
    9 Ny Ray dia tsy azo ferana, ny Zanaka dia tsy azo ferana : ary ny Fanahy Masina koa dia tsy azo ferana.
    10 Ny Ray dia Mandrakizay, ny Zanaka dia Mandrakizay : ary ny Fanahy Masina. koa dia Mandrakizay.
    11 Nefa tsy Mandrakizay telo: fa Izy telo no Iray Mandrakizay.
    12 Toy izany, tsy telo no tsy azo ferana, na telo no tsy noforonina: fa Izy telo tsy noforonina sy tsy azo ferana no Iray Iriany.
    13 Toy izany koa, ny Ray dia Tsitoha, ny Zanaka dia Tsitoha : ary ny Fanahy Masina dia Tsitoha.
    14 Nefa tsy Tsitoha telo : fa Izy telo no Iray Tsitoha.
    15 Ary koa, ny Ray dia Andriamanitra, ny Za­naka dia Andriamanitra: ary ny Fanahy Masina koa dia Andriamanitra.
    16 Nefa tsy andriamanitra telo: fa Izy telo no Andriamanitra Iray.
    17 Ary koa, ny Ray dia Tompo, ny Zanaka dia Tompo : ary ny Fanahy Masina koa dia Tompo,
    18 Nefa tsy Tompo telo: fa Izy telo no Tompo Iray.
    19 Fa isika dia teren’ ny Fampianarana Kristi­ana: hanaiky isam-Persona tsirairay avy ho Andria­manitra sy ho Tompo.
    20 Nefa kosa isika dia raran’ ny Foto-pinoana Katolika: tsy hanao hoe, misy Adriamanitra telo, na Tompo telo.
    21 Ny Ray dia tsy natao: tsy noforonina, tsy nateraka.
    22 Ny Zanaka dia avy amy ny Ray hiany : tsy natao, tsy noforonina, fa nateraka.
    23 Ny Fanahy Masina dia avy amy ny Ray sy ny Zanaka : tsy natao, tsy noforonina, tsy nateraka, fa avy aminy.
    24 Koa amin’ izany, misy Ray Iray, fa tsy Ray telo, ary Zanaka Iray, fa tsy Zanaka telo: ary Fanahy Masina Iray, fa tsy Fanahy Masina telo.
    25 Nefa amin’ io Trinité io dia tsy misy izay azo atao hoe: aloha sy aoriana, na ambony sy am­bany,
    26 Fa miara-maharitra mandrakizay: ary mitovy ny Persona telo.
    27 Koa dia araka izay rehetra voalaza: ny Unité ao amy ny Trinité, ary ny Trinité ao amy ny Unité dia tsy maintsy itsaohana.
    28 Ka izay rehetra mitady famonjena: dia maka izany no tsy maintsy iheverany ny amy ny Trinité,
    29 Nefa izao koa dia tsy maintsy hatao hahazoana famonjena mandrakizay: dia ny mino marina ny Inkarnationany Ieso Kristy Tompontsika.
    30 Fa izao no Finoana marina, dia ny mino sy manaiky : fa Ieso Kristy 'Tompontsika, Zanak’ Andriamanitra, dia Andriamanitra sy Olona.
    31 Andriamanitra Izy avy amy ny Substantian’ ny Ray, nateraka talohan’ izao rehetra izao : ary Olona Izy avy amy ny Substantian’ ny Reniny, nateraka teo amin’ izao tontolo izao.
    32 Andriamanitra tanteraka sy Olona tanteraka Izy : dia manana nofon’ olona sy fanahy misy saina.
    33 Mitovy amy ny Ray raha araka ny Fomban’ Andriamanitra: nefa ambanin’ ny Ray raha araka ny Fomban’ olona.
    34 Ary Izy na dia Andriamanitra sy Olona aza: nefa tsy Kristy roa fa Iray hiany.
    35 Iray, tsy noho ny niovan’ ny Fomban’ Andria­manitra ho nofo : fa noho ny nandraisan’ Andria­manitra ny Fomban’ olona.
    36 Iray tokoa: tsy noho ny Substantia mifangaroharo fa noho ny Personany no Iray.
    37 Fa tahaka ny nofo sy ny fanahy misy saina tafakambana no Olona iray : dia tahaka izany koa Andriamanitra sy Olona tafakambana no Kristo iray.
    38 Izay nijaly mba hamonjy antsika : niditra tany amy ny Fiainantsihita, ka nitsangana tamy ny maty nony tamy ny andro fahatelo.
    39 Niakatra any an-danitra Izy, mipetraka eo amy ny tanan’ ankavanan’ ny Ray, Andriamanitra Tsitoha: ary avy any no ihaviany indray hitsara ny velona sy ny maty.
    40 Amy ny fihaviany no hitsanganan’ ny olona rehetra mbamin’ ny tenany: ary hanambarany ny asa nataony.
    41 Ary izay rehetra efa nanao tsara dia hankany amy ny fiainana mandrakizay : fa izay efa nanao ratsy kosa dia hankany amy ny afo mandrakizay.
    42 Izany no finoana Katolika : ary izay tsy mino izany marina tokoa dia tsy hahita famonjena.
    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka, etc.
    Tahaka ny hatramy ny taloha, etc. Amena.
 


At Morning Prayer
(Athanasian Creed)

 

NY LITANY.

    ¶ Ary izao dia hohiraina na hotononina ny Litany rehefa vita ny fivavahana maraina isan-Alahady, sy Alarobia, sy Zoma, ary koa raha tendren’ ny Eveka na ny solony hatao izany.

ANDRIAMANTRA Ray any an-danitra ô ; ma­mindráfo aminay mpanota mahantra.
    Andriamanitra Ray any an-danitra ô : mamindráfo aminay mpanota mahantra.
    Andriamanitra Zanaka, Mpanavotra izao tontolo izao ô ; mamindráfo aminay mpanota mahantra.
    Andriamanitra Zanaka; Mpanavotra izao tontolo izao ô : mamindráfo aminay mpanota mahantra,
    Andriamanitra Fanahy Masina avy amy ny Ray sy ny Zanaka ô : mamindráfo aminay mpanota mahantra.
    Andriamanitra Fanahy Masina avy amy ny Ray sy ny Zanaka ô : mamindráfo aminay mpanota mahantra,
    Trinité masina isaorana sy malaza ô, Persona telo nefa Andriamanitra Iray; mamindráfo aminay mpanota mahantra.
    Trinité masina isaorana sy malaza ô, Persona telo nefa Andriamanitra Iray; mamindráfo aminay mpanota mahantra.
    Tompo ô, aza mahatsiaro ny fahadisoanay, na ny fahadisoan’ ny razanay, ary aza mamaly anay araka ny fahotanay : iantrao izahay, Tompo tsara ô; iantrao ny olonao, izay navotanao tamy ny ranao soa indrindra, ary aza tezitra aminay mandrakizay.
Iantrao izahay, Tompo tsara ô.


    Amy ny faharatsiana sy ny loza rehetra; amy ny fahotana; amy ny fitaky ny devoly sy ny fameliny anay; amy ny fahatezeranao, ary amy ny fanamelohana mandrakizay.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

Amy ny fahajambam-po rehetra; amy ny fiavona-vonana ; amy ny faniriana ny laza foana sy ny fihatsarambelatsihy : amy ny fialonana sy ny fankahalana sy ny lolom-po, ary ny tsi-fitiavana rehetra.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

Amy ny fijangajangana sy ny fahamamoana ary ny fahotana hafa mahafaty rehetra; ary amy ny fitaka rehetra ataon’ izao tontolo izao sy ny nofo ary ny devoly.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Amy ny varatra sy ny tafiodrivotra; amy ny aretin-dratsy mifindra sy ny mosary; amy ny ady sy ny vono an’ olona ary amy ny fahafatesana tam­poka.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.
 
   
Amy ny fikomiana rehetra, sy ny teti-dratsy miafina, ary ny fiodinana ; amy ny fampianarana tsy marina rehetra, sy ny heresy, ary ny fisarahana; amy ny fahasarotam-po ; ary amy fanevatevana ny Teninao sy ny Didinao.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Noho ny mysterion’ ny Inkarnationanao Masina, noho Hianao nateraka sy noforana, noho Hianao natao batisa. sy nifady, ary nalaim-panahy.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Noho Hianao fadiranovana sy nandatsa-dinitra nisy ra, noho Hianao nihantona teo amy ny Hazo fijaliana, sy niaritra fahoriana be, noho Hianao maty, sy nalevina, noho Hianao nitsangana tamy ny maty, sy niakatra any an-danitra, ary noho ny Fa­nahy Masina tafidina.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Amy ny andro rehetra ahorianay, amy ny andro rehetra ahafinaretanay, amy ny andro hahafatesanay, ary amy ny andro fitsarana.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Izahay mpanota mifona aminao, Tompo Andriama­nitra ô, mihainoa anay; ary aoka mba ho sitrakao hitarika sy hanapaka ny Ekklesianao Masina Kato­lika amy ny lálana marina.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hitahy sy hitandrina ny Presidentan’ ny Repoblika Frantsay sy ny Gouverneur General ary ny manampahefana rehetra;
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanazavasaina ny Eveka, sy ny Presbytera, ary ny Diakona rehetra, amy ny fahalalana marina sy ny fahafantarana ny Teninao, mba. hanambara sy haneho izany amy ny tori-teniny sy ny fitondrantenany izy.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome fahazavana, sy fahendrena, ary fahalalana ny Mpanolo-tsaina sy ny Mpanapaka rehetra.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

    Aoka ho sitrakao mba hitahy sy hitandrina ny Mpitsara, sy hanome azy ny fahasoavana mba hanaovany ny mahitsy, sy hitandremany ny marina;
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hitahy sy hitandrina ny olonao rehetra.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome ny firenena rehetra firaisana, sy fiadanana, ary fifankatiavana.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome anay fo tia sy matahotra Anao ary mazoto manaraka ny didinao,
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome ny olonao rehetra fitomboam-pahasoavana, hihainoany ny Teninao amy ny fietrentena, sy handraisany Azy amy ny fitiavana madio; ary hahavokarany ny vokatry ny Fanahy.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hamerina izay rehetra efa tafavily sy voafitaka ho amy ny lálana marina.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanatanjaka izay rehetra mijoro tsara, ary hampionona sy hanampy izay kivy fo, ary hanangana izay potraka; ary hampiondrika any Satana eo ambanin’ ny tongotray amy ny fa­rany.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanampy, sy hamonjy, ary hampionona izay rehetra tra-doza sy mana-manjo, ary zoim-pahoriana,
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hitandrina izay rehetra mandeha na eny an-tanety na eny ambony rano, sy ny vehivavy rehetra izay miteraka, sy ny olona marary rehetra, sy ny zaza-madinika rehetra, ary hasehonao ny famindramponao amy ny ao an-trano maizina sy ny sambo-belona rehetra;
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hiaro sy hamelona ny kamboty, sy ny mpitondratena, ary izay rehetra manirery sy ory.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hamindrafo amy ny olona rehetra.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hamela. ny heloky ny faha­valonay, ny mpanenjika anay, sy ny mpifosa anay, ary mba hanova ny fony.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome sy hitahiry ny vokatry ny tany samy araka ny karazany avy, hahavokisany anay amy ny fotoany.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

   
Aoka ho sitrakao mba hanome anay fibebahana marina; hamela ny fahotanay rehetra ny tsi-fitan­dremanay, sy ny tsi-fahalalanay; ary hampidina aminay ny fahasoavan’ ny Fanahinao Masina, hani­tsianay ny fitondrantenanay araka ny 'reninao masina.
Manafaha anay, Tompo tsara ô.

Zanak’ Andriamanitra ô : mihainoa anay.
Zanak’ Andriamanitra ô : mihainoa anay.

Zanak’ ondrin’ Andriamanitra ô : Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao.

Omeo anay ny fiadananao.

Zanak’ ondrin’ Andriamanitra ô : Izay manaisotra ny fanotan’ izao tontolo izao.
Mamindráfo aminay.

Kristy ô, mihainoa anay.
Kristy ô, mihainoa anay.

Tompo ô, mamindráfo aminay.
Tompo ô, mamindráfo aminay.

Kristy ô, mamindráfo aminay.
Kristy ô, mamindráfo aminay.

Tompo ô, mamindráfo aminay.
Tompo ô, mamindráfo aminay.

    ¶ Dia hiara-manonona ny Fivavahan’ ny Tompo ny Presbytera sy ny mpiangona.
 

The Litany

RAINAY Izay any an-danitra; Hohamasinina anie ny Anaranao : Ho tonga anie ny fanja­kanao; Hatao anie ny sitraponao, Ety an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamela. ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy; Fa manafaha anay amy ny ratsy. Amena.

Presbytera.
Tompo ô, aza manome anay araka ny fahotanay.

Valiny.
Ary aza mamaly anay araka ny helokay.

Aoka isika hivavaka.

ANDRIAMANITRA, Ray mamindrafo ô, Hianao tsy manamavo ny fisentoan’ ny fo mibebaka, sy ny fanirian’ ny malahelo; Ampio amy ny famin­dramponao ny vavakay izay ataonay eo anatrehanao, noho ny loza manjo anay sy ny fahoriana rehetra izay ampahoriany anay: ary henoy amy ny fian­tranao izahay, mba ho tsinontsinona ireo faharatsi­ana ireo izay ataon’ ny devoly na ny olona amy ny fihendrena sy ny fanangolena hanohitra anay, ary mba hofoanan’ ny fahatsaran’ ny fitondranao izy: mba tsy ho resin’ ny fanenjehana akory izahay mpanomponao, ka dia hisaotra Anao mandrakariva eo amy ny Ekklesianao masina : amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay.

    Tompo ô mitsangana, ka ampio izahay, ary afaho izahay noho ny Anaranao.

ANDRIAMANITRA. ô, efa ren’ ny sofinay, ary nambaran’ ny razanay taminay, ny asa malaza nataonao tamy ny androny, ary tamy ny andro fahiny.

    Tompo ô, mitsangana, ka ampio izahay, ary afaho izahay noho ny voninahitrao,

    Ho any ny Ray, sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra:

Valiny.

    Tahaka ny hatramy ny taloha, sy ankehitriny: ary mandrakariva ho mandrakizay, doria doria. Amena.
    Arovy amy ny fahavalonay izahay, Kristy ô.
    Tsinjovy amy, ny fahasoavanao ny fahorianay.
    Jereo amy ny fiantranao ny alahelon’ ny fonay.
    Mamela ny fahotan’ ny olonao amy ny famindramponao.
    Henoy ny vavakay amy ny fitiavanao sy ny fa­mindramponao.
    Zanaky Davida ô, mamindráfo aminay.
    Aoka ho sitrakao hihaino anay ankehitriny, sy mandrakizay, Kristy ô.
    Henoy izahay, Kristy ô, amy ny fahasoavanao; henoy izahay, Kristy Tompo ô, amy ny fohasoavanao.

Presbytera;
Tompo ô, asehoy anay ny famindramponao,

Valiny.
Araka ny itokianay anao.

Aoka isika hivavaka.

MIFONA aminao amy ny fietrentena izahay, Ray ô, jereo amy ny famindramponao ny fahale­menay : ary noho ny voninahitry ny Anaranao, aza avela hihatra aminay ireo loza ireo, izay tokony hahazo anay marimarina: ary amy ny fahorianay rehetra dia aoka hatoky sy hanantena ny famindra­mponao izahay ary hanompo Anao mandrakariva amy ny fitondrantena masina sy madio, ho lazanao sy voninahitrao : noho ny any Ieso Kristy Mpana­lalana anay tokana sy Mpandahatra ny teninay. Amena.
 

Lord's Prayer

FIVA VAHANY S. KRYSOSTOMA.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa nanome anay fahasoavana hiraisanay saina hangataka aminao ankehitriny izao : Hianao manaiky hanome izay angatahin’ ny roa aman-telo miangona amy ny Anaranao. Tanteraho amin’ izao Tompo ô, ny an­gatahinay mpanomponao, araka izay antonony ho anay: ampahalalao ny fahamarinanao izahay amin’ izao fiainana izao, ary amy ny ho avy omeo fiainana mandrakizay. Amena.

2 Kor. xiii, 14.

NY fahasoavany Ieso Kristy Tompontsika, sy ny fitiavan’ Andriamanitra, ary ny firaisan’ ny Fanahy Masina, ho amintsika rehetra anie mandra­kizay. Amena.

Tapitra izao ny Litany.
 


 

Prayer of St. Chrysostom

FIVAVAHANA SY FISAORANA,

METY HATAO ALOHAN’ NY FIVAVAHANY S. KRYSOSTOMA.


    ¶ Fivavahana hatao isan’ andro, amy ny fotoana atao hoe Embera, ho any izay hotendrena hanao ny raharaham-pivavahana ao amy ny Ekklesia.
 

Prayers & Thanksgivings

ANDRIAMANTRA Tsitoha ô, Rainay any an­danitra, ny ra soan’ ny Zanakao malalanao no nividiananao ny Ekklesia Katolika ho Anao; Tsin­jovy amy ny famindramponao izy, ary aoka hotari­hinao sy hotapahinao amin’ izao fotoana izao ny sain’ ny Eveka mpanomponao sy mpiandry ny ondrinao, mba tsy hametrahany tanana tampoka na amin’ iza na amin’ iza, fa ho mahatoky sy ho hendry izy hifidy izay olona mendrika hanompo amy ny raharahan’ ny Ekklesianao masina: Ary omeo ny fohasoavanao sy ny fitahianao avy any an-danitra ho any izay hotendrena ho amy ny fitandremana masina; mba hanehoany ny voninahitrao amy ny fitondrantenany sy ny fampianarany sy hampandrosoany ny famo­njena ny olona rehetra; amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay. Amena.

Na ity.

ANDRIAMANTRA Tsitoha sy Mpanome ny fa­nomezana soa rehetra ô, Hianao efa nanendry filaharana samihafa eo amy ny Ekklesianao noho ny fitandremanao masina azy j 1\1ifona aminao amy ny fietrentena izahay, omeo ny fahasoavanao izay re­hetra hantsoina hitondra raharaha na inona na inona eo aminy; ary fenoy ny fahamarinan’ ny teninao izy, ka omeo ny fitondrantena madio, mba hanompoany marina eo anatrehanao ho voninahitry ny Anaranao lehibe sy ho fanatsarana ny Ekklesia­nao masina: amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay, Amena.
 

Prayers during Ember Weeks

Fivavahana fangatahana firaisana.

ANDRIAMANITRA ô, Rainy Ieso Kristy Tompo­nay sy Mpamonjy anay, ary Andrian’ ny Fiha­vanana : Omeo fahasoavana izahay, mba hieritrere­tanay mafy ny loza lehibe izay manodidina anay, noho ny fisarahana mampalahelo eto aminay. Esory aminay ny fankahalana sy ny hevitra mijery ilany foana rehetra, ary na inona na inona izay misakana anay tsy hifankatia sy hihavana amy ny fahamasi­nana, Ary satria iray ny tena, sy iray ny Fanahy, ary iray ny fanantenana momba ny fiantsoana anay, iray ny Tompo, iray ny Finoana, iray ny Batisa, iray Andriamanitra sady Rainay rehetra, dia aoka izahay rehetra hiray fo sy fanahy hatramy ny anke­hitriny, ka ho tafakambana amy ny fehin’ ny Faha­marinana sy ny Fihavanana sy ny Finoana ary ny Fifankatiavana, mba hiarahanay mankalaza Anao amy ny saina iray sy amy ny vava iray: amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay. Amena.
 

Prayer for Unity

Fivavahana mety hatao manaraka ireo aloha ireo.

ANDRIAMANITRA ô, tena toetrao mihitsy ny mamindrafo sy manafaka mandrakariva: Raiso ny vavaka ataonay amy ny fietren-tena, ary na dia voafatotry ny gadran’ ny fahadisoanay aza izahay, dia aoka ny famindramponao no hanafaka anay ho voninahitry Iesosy Kristy Mpanalalana anay sy Mpandahatra ny teninay, Amena.
 

Prayer which may be said after any of the former

Fivavahana tokony hatao ho any ny olombelona rehetra raha tsy voatendry hatao ny Litany.

ANDRIAMANITRA ô, Hianao no Mpamorona sy Mpiaro ny olombelona rehetra, mifona aminao amy ny fietrentena izahay ho any ny olona rehetra, na manao ahoana na manao ahoana ny toetrany: aoka ho sitrakao mba hampahalala azy ny lalanao sy hampahafantatra ny firenena rehetra ny famonjenao mahafinaritra, Indrindra mivavaka aminao izahay mba hitoetra tsara ny Ekklesia Katolika; aoka mba ho tarihina sy hotapahin’ ny Fanahinao tsara izy; ka dia hotarihina ho amy ny lálana marina izay manaiky sy manao ny tenany ho Kristiana, ka hitana ny Finoana amy ny firaisan’ ny fanahy, sy amy ny fehim-pihavanana, ary amy ny fahamarinan’ ny fitondrantena. Ary dia atolotray ho amy ny fahasoavanao, Ray ô, izay rehetra ory sy malahelo, na amy ny saina, na amy ny tena, na amy ny toetra; .* [indrindra fa izay maniry ny fivavahanay] aoka ho sitrakao mba hampionona sy hanafaka azy araka izay ilainy; ampaherezo izy hahazaka izay manjo azy, ary omeo fahafahana mahafinaritra amy ny fahoriany rehetra. Mangataka izany izahay noho ny fitiavany Ieso Kristy. Amena.
 

Prayer for all Conditions of Men

 

* Ity no atao raha misy maniry ny fivavahan’ ny Fiangonana.

 

 

Fisaorana noho ny zavatra rehetra.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Rain’ ny famind­rampo rehetra, misaotra anao indrindra izahay mpanomponao tsi-mendrika, noho ny fahasoavanao sy ny famindrampo nao rehetra aminay, sy amy ny olona rehetra; * [indrindra amin’ izay maniry anke­hitriny izao hanatitra. fiderana sy fisaorana noho ny famindramponao izay vao nasehonao taminy]. Misaotra Anao izahay noho ny nabarianao anay, sy ny fitandremanao anay, ary ny fitahiana rehetra amin’ izao fiainana izao: fa indrindra noho ny fitiavanao tsara tokoa, tamy ny nanavotany Ieso Kristy Tomponay an’ izao tontolo izao; noho ny fahazoam-pahasoavana, sy ny fanantenam-bonina­hitra, Ary dia mangataka aminao izahay, ampi­hevero marina ny fiantranao rehetra izahay, mba ho feno saotra ny fonay, hanehoanay ny fiderana Anao, tsy amy ny molotray hiany, fa amy ny fitondran­tenanay koa; dia amy ny anoloranay ny tenanay hanompo Anao, sy ny handehananay eo anatrehanao amy ny fahamasinana sy ny fahamarinana amy ny andro rehetra iainanay: amy ny alalany Ieso Kristy Tomponay, Izay omem-boninahitra miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakariva ho mandra­kizay. Amena.

General Thanksgiving

 

 

* Hatao raha misy maniry hanatitra fisaorana, noho ny famindrampo efa azony.

 
Return to the Book of Common Prayer in Malagasy

 

Web author: Charles Wohlers U. S. EnglandScotlandIrelandWalesCanadaWorld