Flag of Malaysia The Book of Common Prayer
United States England Scotland Ireland Wales Canada World

    Ny Boky Fivavahana
Portions of the Book of Common Prayer in Malagasy (1904)

 

NY FILAHARAN’ NY

EOKARISTA,

NA

KOMONIONA MASINA.


 

    Izay mikasa handray ny Komoniona Masina dia hilaza amy ny Minister a aloha, ary ny andro alohan’ ny andro handraisana no far’ andro hilazany azy.
    Ary raha sendra misy ratsy fitondran-tena amin’ izy ireo, ka fantatra tsara fa nanisy ratsy ny namany amy ny teny na ny atao, ary nahatafintohina ny Fiangonana tamin’ izany, raha fantatry ny Ministera, dia hiantso sy hananatra azy izy, ary tsy hamela azy hanatona ny Latabatry ny Tompo raha tsy fantatra tsara fa efa mibebaka marina izy, sad y nanova ny fitondran-tenany ratsy taloha, ary efa nanao soa twiny ny olona izay asiany ratsy, na milaza fa hanao izany izy raha azony atao, mba hahafaka ahiahy ny Fiangonana izay efa tafintohina taminy.
    Izany lalána izany dia harahin’ ny Ministera raha misy olona izay fantany fa mifankahala ary tsy havelany handray ny Komoniona Masina ambara-pahafantany fa efa mihavana izy ireo. Ary raha ny anankiray aminy Many no ta-hamela tokoa ny ratsy rehetra nataon’ ny hafa taminy, ka hanao soa ho onitry ny ratsy nataony, nefa kosa ny anankiray tsy mety anihavana fa mbola mikiry amy ny ditrany sy ny fahatezerany; dia ilay mibebaka Many no havelan’ ny Ministera lianatona ny Komoniona Masina. Kanefa, raha misy toy izany, dia tsy maintsy milaza amy ny Episkopo ny Ministera.
    Amy ny fanaowana ny Komoniona Masina dia velarana lamba fotsy tsara ny Latabatra. Ary ny Presbytera dia hitsangana manatrika ny latabatra eo amy ny ilany ankavanana, ka hanao n y Fivavahan’ ny Tompo sy ny Kolekta manaraka azy: ary ny olona handohalika.
 

Holy Communion

This text of the Communioin service was bound up at the end of a copy of the 1904 Malagasy BCP kindly provided and transcribed by Richard Mammana. It is apparently from an earlier printing or edition, as there are prayers for the Queen (of Madagascar), and by this time Madagascar had become a French colony.

 

RAINAY Izay any an-danitra. Hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Ha-tao anie ny sitraponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelá ny helokay, tah aka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy fa manafaha anay amy ny ratsy. Amena.
 

Lord's Prayer

Ny Kolekta.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, ny fon’ ny olona rehetra dia miharihary aminao, ny fanirany rehetra dia fantatrao, ary tsy misy miafina aminao. Diovy ny hevitry ny fonay amy my fanoloran-tsain’ ny Fanahinao Masina, mba ho tia Anao tokoa izahay, ary hankalaza ny Anaranao Masina, araka izay mety; amy ny alalany Kristo Tomponay. Amena.

    Dia hanatrika ny olona ny Presbytera ka hanonona ny Didy folo: ary isaky ny voatonona ny anankiray, ny olona mbola mandohalika dia hangataka ny famindrampon’ Andrimanitra noho ny ota nataony, ary ny fahasoavana hanarahany izany amy ny aoriana, araka izao.
 

Collect for Purity

Ny Ministera.

ARY Andriamanitra dia niteny ireo telly ireo, hoe: Izaho no Iehovah, Andriamanitrao; Aza manana andriamani-kafa hianao, fa Izaho hiany.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza manao sampy soritana ho anao hianao na ny mety ho endriky ny zavatra izay eo amy ny lanitra ambony, na izay eo amy ny tany ambany, na izay eo amy ny rano ambany ny tany. Aza miankohoka aminy hianao, ary aza manompo azy: fa Izaho no Iehovah Andriamanitrao, Andriamanitra saro-piaro, Izay mamaly ny heloky ny ray ho amy ny zanaka hatramy ny zafiafy sy ny zafindohalika izay mandrafy Ahy, ary mamindrafo amy ny olona arivo mandimby izay tia Ahy, ka mitandrina ny didiko.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza manonona foana ny Anarany Iehovah Andriamanitrao; fa tsy mba hataony Iehovah ho afa-tsiny izay manonona foana ny Anarany.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra; fa Sabatany Iehovah Andriamanitrao ny andro fahafito. Aza manao raharaha akory hianao, na ny zanakao lahy na ny zanakao vavy, na ny ankizi-lahinao na ny ankizi-vavinao, na ny bibinao, na ny vahininao izay tafiditra eo ambavahadinao. Fa henemana no nanaovany Iehovah ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamy ny andro fahafito; izany no nitahiany Iehovah ny andro Sabata sy nanamasi nany azy.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Manajà ny rainao sy ny reninao: mba ho ela velona hianao amy ny tany izay omeny Iehovah Andriamanitrao ho anao.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza mamono olona.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza mijangajanga.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza mangalatra.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza miampanga lainga ny namanao.

Ny olona.

    Tompo ô, mamindráfo aminay, ary tariho ny fonay hankato izany lalána izany.

Ny Ministera.

    Aza mitsiriritra ny tranon’ ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin’ ny namanao, na ny ankizi-lahiny, na ny ankizi-vaviny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay rehetra ananan’ fly namanao.

Ny olona.

    Tompo ô, mifona aminao izahay, mamindráfo aminay, ary soraty ao amponay ireo lalánao rehetra ireo.

    Dia hanatrika ny Latabatra masina indray ny Presbytera, ka hivavaka ho any ny Mpanjaka, hoe:
 

Ten Commandments

Aoka isika hivavaka.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, ny fanjakanao dia mandrakizay, ary ny fahefanao dia tsihita-lany: Mamindráfo amy ny Ekklesianao, ary tariho ny fondRANAVALOMANJAKA, Mpanomponao izay nofidinao ho Mpanjakanay sy Mpanapaka anay, mba hitadiavany ny voninahitrao sy ny lazanao mihoatra noho ny zavatra rehetra: ary aoka izahay hanompo sy hanome voninahitra, ary hanaraka azy amy ny fietrentena, ao aminao sady ho Anao, araka ny Teninao masina sy ny fanendrenao: amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay, Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra iray, mandrakizay, mandrakizay. Amena.

Na ity.

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, efa nampianarin’ ny Teninao masina izahay, fa Hianao no manapaka ny fon’ ny Mpanjaka, ka mandahatra sy mitondra azy araka ny fahendrenao masina; Mangataka aminao izahay mba halahatrao sy hotapahinao ny fon dRANAVALOMANJAKA, Mpanomponao sy Mpanapaka anay, mba hitadiavany mandrakariva ny voninahitrao sy ny lazanao, amy ny heviny, sy ny teniny, ary ny ataony rehetra, ary hiheverany izay hitandremany ny olonao anjakany, amy ny fahafinaretana, sy ny fiadanana, ary ny fahamasinana: Tanteraho izany, Ray mamindrafo ô, amy ny alalany Ieso Kristo Zanakao, Tomponay. Amena.

    Dia hatao ny Kolekta araka ny Andro; ary manaraka izany, dia hovakina ny Epistola, ary alohan’ izany dia hataon’ ny Mpamaky hoe, Ny Epistola (na ny Soratra Masina voatendry hisolo ny Epistola) dia voasoratra amy ny Toko . . . , amy ny . . . , miantomboka amy ny andininy . . . ary rehefa voavaky ny Epistola dia hataony hoe, Tapitra eto ny Epistola. Ary rehefa vita izany dia hitsanyana ny olona, ka hovakina ny Filazantsara, ary alohan’ izany dia hataon’ ny Mpamaky hoe, Ny Filazantsara Masina dia voasoratra amy ny Toko ... , amy ny . . . , miantomboka amy ny andininy . . .

Dia hataon’ ny olona ny hoe,
Voninahitra ho Anao, Tompo o.

    Ary rehefa voavaky ny Filazantsara dia hataony ny hoe,
    Hisaorana anie Hianao, Tompo ô, noho izany Filazantsaranao Masina izany.

    Dia hatao amin’ izao ity Symbolo ity; ary mbola mitsangana hiany ny olona.
 

Prayers for the Queen (of Madagascar)

IZAHO mino an’ Andriamanitra iray, Ray Tsitoha, Mpanao ny lanitra sy ny tany, ary ny zavatra rehetra na hita na tsi-hita.
    Ary Ieso Kristo Tompo iray, Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, Nateraky ny Rainy talohan’ izao rehetrarehetra izao, Andriamanitra avy amin’ Andriamanitra, ny Mazava avy amy ny Mazava, Andriamanitra tokoa avy amin’ Andriamanitra tokoa, Nateraka, fa tsy natao, Mirai-substantia amy ny Ray; Izy no nahariana ny zavatra rehetra, Nidina avy tany an-danitra ho antsika olombelona, sy ho falnonjena antsika Izy. Ary nataon’ ny Fanahy Masina ho Nofo, avy taminy Maria Virjina, Ary natao ho olona, Dia nohomboana tamy ny hazo fijaliana ho antsika tamy ny nanapahany Pontio Pilato. Nijaly Izy ary nalevina, Ary nony tamy ny andro fahatelo dia nitsangana araka ny Soratra Masina, Ary niakatra any an-danitra, Ary mipetraka eo amy ny tánan’ankavanan’ ray Ray. Ary ho avy indray amy ny voninahitra hitsara ny velona sy ny maty Izy; Ary ny Fanjakany dia tsy hanam-pahataperana.
    Ary izaho mino ny Fanahy Masina, Tompo sy Mpanome aina, Izay avy amy ny Ray, sy ny Zanaka, Izay itsaohana sy ankalazaina miara.ka amy ny Ray sy ny Zanaka, Izay niteny tamy ny vavan’ ny Profeta. Ary izaho mino ny Ekklesia Tray, Masina, Katolika, sy Apostolika. Ary manaiky ny Batisa iray ho famelan-keloka, Manantena ny fitsanganan’ ny maty aho, Ary ny fiainana arlin’ izay ho avy. Amena.

    Dia hambaran’ ny Ministera amy ny olona izay Andro masina sy izay Andro fifadiana hotandremana amy ny herinandro manaraka.     Ary holazainy koa ny andro hanaovana ny Komoniona masina ary ny anaran’ ny olona izay atao Mariazy.
    Ary tsy hisy hilaza ao am-piangonana afatsy ny Ministera Many: ary izy aza dia tsy hilaza zavatra hafa afatsy ireo, raha tsy asain’ ny Episkopo holazaina izany.
    Ary dia hatao amin’ izao n y Tori-ten y.
    Ary ny Presbytera dia hanatrika ny Latabatry ny Tompo, ka hamaky amin’ ireto andininy manarak a ireto, araka izay ataony ho mety.
 

Nicene Creed

AOKA hazava toy izany koa ny fahazavanareo eo imason’ ny olona, mba hahita ny asa soa ataonareo izy ka hankalaza ny Rainareo Izay any andanitra. S. Mat. v. 16.
    Aza mihary ho anareo harena ety an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba azy sady misy mpangalatra manami-trano sy mangalatra. Fa miharia ho anareo harena any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba azy, sady tsy misy mpangalatra manami-trano, na mangalatra. S. Mat. vi. 19, 20.
    Koa ny zavatra rehetra tianareo hataon’ ny olona aminareo na inona na inona, dia ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalána sy Profeta. S. Mat. vii. 12.
    Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amy ny fanjakan’ ny lanitra fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any andanitra. S. Mat. vii. 21.
    Ary Zakaiosy nitsangana ka nanao tamy ny Tompo hoe: Indro, Tompoko, ny antsasaky ny fananako dia omeko ny malahelo; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamy ny fanambakana, dia honerako avy efatra heny izany. S. Lok. xix. 8.
    Iza no mandeha miantafika ka mivelona amy ny haren’ ny tenany? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokany? Ary iza no miandry osy ka tsy mihinana ny rononon’ ny osy? 1 Kor. ix. 7.
    Raha izahay namafy izay zavatry ny fanahy ho anareo dia zavatra lehibe va raha mijinja izay anananareo araka ny nofo izahay? 1 Kor. ix. 11.
    Tsy fantatrai eo va fa izay manompo amy ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amy ny altara miombona amy ny altara? Toy izany koa no nandidian’ ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amy ny filazantsara. 1 Kor. ix. 13, 14.
    Izay mamafy kely, dia kely kosa no hojinjany; ary izay mamafy be, dia be kosa no hojinjany. Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony, tsy amy ny alahelo, na amy ny faneriterena; fa ny mpanome amy ny hafaliana no tian’ Andriamanitra. 2 Kor. ix. 6, 7.
    Aoka izay ampianarina ny teny hahafoy zavatsoa ho any izay mampianatra. Aza mety ho fitahina hianareo; Andriamanitra tsy esoina, fa izay afafin’ ny olona no hojinjany. Gal. vi. 6, 7.
    Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amy ny olona rehetra, indrindra fa amy ny mpianakavin’ ny finoana. Gal. vi. 10.
    Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy manaraka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, satria tsy hahatondra na inona na inona hiala. 1 Tim. vi. 6, 7.
    Anaro ny mpanan-karena eo amin’ izao fiainana ankehitriny izao, mba hanao soa, mba hanan-karena amy ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho amy ny tenany ho amy ny andro ho avy, mba hihazonany izay tena fiainana. 1 Tim. vi. 17-19.
    Fa Andriamanitra tsy mba tsi-marina hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, raha nanompo ny olona masina hianareo sady mbola manompo hiany. Hebr. vi. 10.
    Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fánatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra. Hebr. xiii. 16.
    Izay rehetra manam-pananana amin’ izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ ny fitiavana an’ Andriamanitra ao anatiny? 1 S. Iohana iii. 17.
    Manomeza fiantrana avy amy ny fanananao; ary aza mba manodina ny tavanao hiala amy ny mahantra; fa izany no tsy hihodinan’ ny tavany lehovah hiala aminao. Tobity iv. 7.
    Miantrá araka ny zakanao. Raha be ny fanananao, manomeza be: raha kely ny fanananao, mazotoa hanome amy ny fifaliana avy amin’ izany kely izany: fa izany no ahazoanao valimpitia be, raha omby amy ny andro fahantrana. Tobity iv. 8, 9.
    Izay miantra ny malahelo no mainpisambotra any Iehovah; ary izay nomeny dia hovaliany kosa. Ohab. xix. 17.
    Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo: Iehovah mamonjy azy amy ny andro fahoriana. Salamo xli. 1.

    Raha mbola vakina ireo andtininy ireo, dia handray ny fiantrana ho any ny malahelo, sy ny fanatitra hafa, ny olona izay tendrena hanao i zany; ary hitondra izany amy ny Presbytera, ary izy kosa dia hanatitra azy amy ny fietrentena ka hapetrany eo ambonin’ ny Latabatra Masina.
    Raha hatao ny Komoniona, dia hapetraky ny Presbytera eo ambonin’ ny Latabatra ny Maio sy ny Divay, ctraka izay hataony ho ampy.
    Rehefa vita izany, dia hataon’ ny Presbytera hoe,
 

Offertory Sentences

    Aoka isika hivavaka ho any ny Ekklesiany Kristo izay miady ety ambonin’ ny tany.

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, ny Apostolonao masina no efa nampianarinao anay hanao vavaka sy hataka, sy hanome saotra noho ny olona rehetra; Mangataka aminao izahay mietritena, mba handraisinao amy ny famindramponao lehibe (* ny fiantranay sy ny fanatitray, ary) izao fivavahanay izao, izay aterinay amy ny Fiandriananao Masina, sady mba hanoloranao mandrakariva ny Ekklesia Katolika ny fanahin’ ny fahamarinana, sy ny firaisana, ary ny fifankatiavana. Ary aoka izay rehetra manaiky ny Anaranao masina, hifanaraka ny amy ny marina amy ny Teninao masina, ka hifankatia tsara araka an’ Andriamanitra. Ary mangataka aminao koa izahay, mba hiarovanao ny Mpanjaka, sy ny Zanak’ andriana, ary ny Mpanapaka rehetra izay Kristiana: Ary aoka ny Mpanolo-tsaina azy rehetra, sy izay rehetra manam-pahefana, hitsata marina sy tsy miangatra, ka hampijaly ny rafsi-fanahy, sy hampitoetra ny Fivavahana marina aminao, sy ny hatsarain-panahy. Omeo fahasoavana, Ray any andanitra ô, ny Episkopo, sy ny Kleriko rehetra, hanehoany ny Teninao marina sady velona amy ny fitondratenany sy ny fampianarany, ary hanolorany araka izay mety ny Sakramentanao masina. Ary omeo ny fahasoavanao avy any an-danitra ny olonao rehetra, indrindra fa ireto olona tafangona ato ireto; ary aoka ny fo mietritena sy ny fanajana tsara no handraisany ny Teninao masina, ka hanompoany Anao tokoa amy ny fahamasinana sy ny fahamarinana amy ny andro rehetra hiainany. Ary mangataka aminao izahay mietritena indrindra, Tompo ô, mba hampiononanao sy hamon enao amy ny fahatsaranao izay rehetra zoimpahoriana, na malahelo, na mahantra, na marary, na tra-doza hafa amin’ izao fiainana mihelina izao. Ary koa dia isaoranay ny Anaranao masina noho ny mpanomponao rehetra izay efa nodimandry tamy ny finoana sy ny fahatahorana Anao; ary dia angatahinay aminao ny fahasoavana hanarahanay ny diany tsara, mba hiarahanay aminy handova ny fanjakanao any an-danitra. Tanteraho izany, Ray ô, noho ny fitiavanao any Ieso Kristo, Mpanalalana anay, sy Mpandahatra ny teninay. Amena.
 

Prayer for Christ's Church Militant

 

 

* Raha tsy misy fiantrana na fanatitra, ireo teny ireo [ny fiantranay sy ny fanatitray ary] dia ajanona.

    Raha hataon’ ny Ministera ny fananarana ny amy ny gomoniona Masina (izay mety hatao amy ny Alahady alohan’ ny fotoana handraisana) rehefa vita ny Fitorianteny dia hamalcy izao teny izao izy.

RY malala, amy ny ———— ho avy, mikasa amy ny fanampian’ Andriamanitra aho hanolotra ny Sakramentan’ ny Tana sy ny Rany Kristo mahatanjaka indrindra ho any izay rehetra manana fo voaomana tsara handraisany azy ho fahatsiarovana ny Hazo-fijaliany sy ny Niaretany mahamiendrika, fa izany hiany no ahazoantsika famelan-keloka sy mahatonga antsika ho mpiara-mandova ny Fanjakan’ ny lanitra. Ary tokony hisaotra an’ Andriamanitra Tsitoha Raintsika any an-danitra amy ny fietrentena indrindra isika, noho ny nanomezany any leso Kristo Zanany Mpamonjy antsika, mba tsy ny ho faty hiany ho antsika, fa mba ho hanim-panahy sy ho famelomana antsika koa amin’ izany Sakramenta masina izany. Ary satria zavatra masina sy mahatanjaka ho any izay mandray azy araka izay mety izy, fa zavatra mampidi-doza kosa ho any izay sahisahy mandray azy nefa tsy araka izay mety, koa tsy maintsy mananatra anareo aho, mba hieritreritra rahateo hianareo, ny havesatr’ izany mysterio masina izany, sy ny loza lehibe amy ny handraisana azy araka izay tsy mety, ary mba hizaha sy handinika ny fieritreretanareo (ka tsy manaonao foana sy tahaka ny mihatsaravelatsihy amin’ Andriamanitra; fa) mba ho masina sy madio hianareo amy ny fanatonana izany fanasana masina izany, manao ny akanjo fitondra amy ny fampakaram-bady izay lazain’ ny Soratra Masina ho ilain’ Andriamanitra mba handraisany anareo ho mpandray miendrika eo amy ny Latabatra Masina.
    Koa izao no tokony hanaovanareo izany: Voalohany, mandiniha ny fitondrantenanareo sy ny toetrareo araka ny didin’ Andriamanitra, ary na amin’ inona na amin’ inona no hitanareo fa diso hianareo, na amy ny sitrapo, na amy ny teny, na amy ny asa, dia malahelova noho izany, sy maneke izany amin’ Andriamanitra, ka mikasa tokoa hanova ny fitondrantenanareo. Ary koa, raha hitanareo fa tsy tannin’ Andriamanitra hiany no nanotanareo, fa tamy ny namanareo koa, dia manaova izay hihavananareo aminy, ka mikasa hanao soa na amin’ iza na amin’ iza araka izay tratry ny ainareo, ho solon’ ny ratsy nataonareo taminy; ary koa manaova izay hamelana ny heloky ny olona izay efa nanota taminareo, tahaka ny fanirianareo ny hamelan’ Andriamanitra ny helokareo; fa, raha tsy izany, ny fandrai, anareo ny Komoniona Masina dia vao mainka mampitombo ny fanamelohana anareo. Koa amin’ izany, raha misy aminareo mpanompa an’ Andriamanitra, na mpisakana sy mpanaratsy ny Teniny, na mpijangajanga, na izay mitoetra amy ny lolompo, na fialonana, na fahotana hafa toy izany, dia mibebaha hianareo noho ny fahotanareo, fa raha tsy izany, aza manatona ny Latabatra Masina; fandrao, rehefa noraisinareo izany Sakramenta izany, dia hidiran’ ny devoly ao aminareo, tahaka ny nidirany tao amin’ lodasy, ka ho feno ny faharatsiana rehetra hianareo, ary ho very ny tenanareo sy ny fanahinareo.
    Ary satria tokony tsy hisy manatona ny Komoniona Masina, raha tsy matoky ny famindrapon’ Andriamanitra, sy tafandry eritreritra tsara izy; koa raha misy aminareo izay tsy mahatafandry tsara ny fieritreretany araka ireo teny aloha ireo, fa mbola ta-hampiononina na hanarina, aoka hankany amiko izy, na amy ny hafa izay Ministeran’ ny Tenin’ Andriamanitra, ka hanambara: ny toetrany; mba hahazoany fahafahana, sy hevim-panahy araka ny Tenin’ Andriamanitra, hahatafandry ny fieritreretany, mba ho afaka ny ahiahy sy fisalasalana izy.

    Fa raha hitany fa tsy mazoto manatona ny Komoniona Masina ny olona, dia ity fananarana ity no ataony hisolo ny ambony.

RY malala, amy ny ———— ho avy, mikasa amy ny fanampian’ Andriamanitra aho, hanao ny Fanasan’ ny Tompo; koa dia manasa anareo amin’ izany amy ny Anaran’ Andriamanitra aho, sy mangataka anareo amy ny alalany leso Kristo Tompo tsy handá tsy hanatona izany hianareo, fa Andriamanitra no miantso sy manasa anareo amy ny fitiavany. Ary fantatrareo fa zavatra mampalahelo sady tsy mety, raha misy olona efa namboatra fanasana tsara dia tsara ka nanao ambony latabatra ny karazan-kanina samihafa, ka tsy misy andrasany intsony afatsy ny hihavian’ ny olona izay nasaina Many, kanefa izy ireo dia mandá fotsiny tsy ho avy, fa tsy mankasitraka. Iza moa aminareo tsy ho tezitra raha misy manao tahaka izany? Iza no tsy mihevitra fa ratsy no nataony azy? Ry malala aminy Kristo, mitandrema tsara fandrao mampirehitra ny fahatezeran’ Andriamanitra aminareo, raha mandá izany Fanasana masina izany hianareo. Mora hiany fly manao hoe, Tsy handray aho satria sakanan’ ny raharaha momba izao fiainana izao aho. Kanefa tsy raisina na eken’ Andriamanitra ny fialantsiny tahaka izany. Raha inisy manao hoe, Mpanota ratsy loatra aho ka matahotra hanatona aho; nahoana ary no tsy mibebaka hianareo ka manatsara ny toetrareo? Raha antsoin’ Andriamanitra hianareo, dia tsy menatra va hianareo raha manao hoe, Tsy ho avy izahay? Raha tokony hiverina ho any amin’ Andriamanitra, dia hiala-tsiny va hianareo ka hanao hoe, Tsy mbola niomana izahay? Mihevera lalina áry hianareo, fa ny fialan-tsiny tahaka izany dia tsy hahafaka eo amin’ Andriamanitra. Ny olona izay nandá ny fanasana ao amy ny Filazantsara satria nividy tany izy, na lasa nametraka zioga tamy ny ombiny, na nampaka-bady, dia tsy afa-tsiny tamin’ izany akory, fa natao tsy ho miendrika ny fanasan’ Andriamanitra. Raha izaho, dia efa miomana aho, ary araka izay mety hataoko, dia manasa anareo amy ny Anaran’ Andriamanitra aho, miantso anareo solony Kristo, mananatra anareo tahaka ny fitiavanareo ny famonjena anareo aho, handray izany Komoniona masina izany. Ary satria nanolotra ny amy ho faty tamy ny Hazo-fijaliana ho famonjena antsika ny Zanak’ Andriamanitra, dia tokony ho raisinareo ny Komoniona ho fahatsiarovana ny fanalamboadin’ ny fahafatesany, araka izay nodidian’ ny tenany. Fa raha mandà izany hianareo, hevero izay zavatra ratsy ataonareo amin’ Andriamanitra, sy ny fampijaliana mafy izay miraviravy eo ambony ny lohanareo noho izany, raha minia manalavitra ny Latabatry ny Tompo hianareo, ka misaraka amy ny rahalahinareo izay manatona hihinana amin’ izany fanasana masina izany. Raha heverinareo fatratra ireo zavatra ireo, dia hihatsaratsara kokoa ny hevitrareo noho ny fahasoavan’ Andriamanitra; any mba hahazoanareo izany dia tsy hitsahatra izahay hanao ny fangatahanay amy ny fietrentena amin’ Andriamanitra Tsitoha Raintsika any an-danitra.

    Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny Komoniona, ka efa milahatra ny mpandray handraisany tsara ny Sakramenta Masina, dia hataon’ ny Presbytera izao hoe:

RY malala amy ny Tompo, hianareo mikasa hanatona ny Komonionan’ ny Tena sy ny Ra Masina any Kristo Mpamonjy antsika, koa tokony hoheverinareo fa anariny S. Paolo ny olona rehetra, mba hazoto hamantatra sy hizaha ny toetrany, vao sahy mihinana izany Mofo izany sy misotro amin’ izany Kapoaka izany. Fa satria lehibe ny fahasoavana raha amy ny fibebahana marina sy ny finoana velona no andraisantsika izany Sakramenta masina izany; (fa amin’ izany dia mihinana ny Nofony Kristo isika sy misotro ny Rany; amin’ izany dia mitoetra ao anatiny Kristo isika, ary Kristo ao anatintsika; miray aminy Kristo isika ary Kristo amintsika;) dia toy izany kosa lehibe ny loza raha amy ny fanahy tsy mety no andraisantsika izany. Fa raha manao izany, isika dia meloka ny Tena sy ny Rany Kristo Mpamonjy antsika; mihinana sy misotro fanamelohana antsika, raha tsy mahafantatra ny Tenan’ ny Tompo isika; mampirehitra ny fahatezeran’ Andriamanitra amintsika, inampihetsika Azy hampahory antsika amy ny aretina sy ny fahafatesana samihafa. Mitsará tena áry hianareo, ry malala, mba tsy hotsarain’ ny Tompo. Mibebaha marina noho ny fahotanareo; manana finoana velona aminy Kristo Mpamonjy antsika; manatsará ny fitondrantenanareo, ary mifankatiava tsara amy ny olona rehetra: koa dia miendrika handray ireo mysterio masina ireo hianareo. Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra, Ray, sy Zanaka, ary Fanahy Masina amy ny fo mietritena indrindra hianareo, noho ny fanavotana izao tontolo izao tamy ny nahafatesana sy ny nijaliany Kristo Mpamonjy antsika, sady Andriamanitra no olona, Izay nanetritena hatramy ny fahafatesana teo amy ny hazo fijaliana nisolo antsika mpanota mahantra izay nitoetra tamy ny fahamaizinana sy ny aloky ny fahafatesana, mba hananganany antsika ho zanak’ Andriamanitra, sy hanandratany antsika ho any amy ny fiainana inandrakizay. Ary mba hahatsiarovantsika mandrakariva ny fitiavany lehibe indrindra nasehony Ieso Kristo Tompontsika sy Mpamonjy antsika tamy ny nahafatesany ho antsika, sy ny zava-tsoa tsy azo isaina izay azony ho antsika tamy ny nandatsahany ny Rany soa indrindra, dia nanao sy nanendry mysterio masina Izy ho fanehoany ny fitiavany, sy ho fahatsiarovana ny fahafatesany mandrakariva, ary ho fampiononana antsika tokoa. Koa dia aoka isika hisaotra Azy mbamy ny Ray sy ny Fanahy Masina, (fa mety indrindra izany,) ka hampanarahintsika ny sitrapony masina ny tenantsika, ary hataontsika izay hanompoana Azy amy ny fahamasinana tokoa sy ny fahamarinana amy ny andro rehetra hianantsika. Amena.

    Dia hataon’ ny Presbytera amin’ izay handray ny Komoniona Masina, hoe:

HIANAREO izay mibebaka marina tokoa noho ny fahotanareo, sy mifankatia amy ny namanareo, ary mikasa hitondratena tsara, ka hanaraka ny didin’ Andriamanitra, sy handeha amy ny ldlany masina hatramin’ izao: Manatóna amy ny finoana, ary raiso ity Sakramenta Masina ity hampiononana anareo, ary ataovy amy ny fietrentena ny faneken-kelokareo amin’ Andriamanitra Tsitoha, koa mandohaleha.

    Ary dia hataon’ ny Ministera anankiray ity fanekenkeloka ity; ary dia hiara-mandohalika izy rehetra ka hanao hoe:
 

Exhortations

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Rainy Ieso Kristo Tomponay, Mpanao ny zavatra rehetra, ary Mpitsara ny olona rehetra; Izahay manaiky sady malahelo noho ny fahotanay sy ny helokay maro samihafa, Izay efa nanoheranay Anao matetika, Tamy ny hevitra, sy ny teny, ary ny atao, Ka nampirehitra ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao marina taminay. Mibebaka marina tokoa izahay, noho ireo haratsianay ireo: Mampahory anay ny fahatsiarovanay azy; Tsy zakanay ny fahavesarany. Mamindrdfo aminay, Mamindráfo aminay, Ray mamindrafo indrindra ô; lilamelá ny heloka rehetra nataonay tamy ny lasa, Noho ny fitiavanao any Ieso Kristo Tomponay; Ary hatramin’ izao dia aoka izahay hanompo Anao mandrakariva, Amy ny fitondrantena ankasitrahanao, Ho voninahitra sy ho lazan’ ny Anaranao: Amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

    Dia hitsanyana ny Presbytera (na ny Episkopo raha eo izy) ka hanatrika ny olona, ary hanao ity famelankeloka ity.

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Raintsika any andanitra, Izay efa nikasa, amy ny famindrampony lehibe, hamela heloka izay rehetra mitady azy amy ny fibebahana mafy sy ny-finoana marina; Mamindrafo aminareo Izy; mamela sy manafaka anareo amy ny helokareo rehetra; manaulafy sy manatan aka anareo amy ny fahatsarana rehetra; ary mitondra anareh ho amy ny fiainana mandrakizay; amy ny alalany Ieso Kristo Tompontsika. Amena.

Dia hanao hoe ny Presbytera,
 

Confession & Absolution

    Henoy ny teny mampionona ataony Kristo Mpamonjy antsika amin’ izay mitady Azy tokoa.

MANKANESA aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatr’ entana, ary Izaho hanome anareo fitsaharana. S. Mat. xi. 28.
    Fa izany no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao; fa nomeny ny Zanani-lahi-tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hahazo fiainana mandrakizay. S. Iohana iii. 16.
    Henoy koa izay lazainy S. Paolo.
    Marina izao teny izao ary tokony hekena amy ny fankasitrahana rehetra, fa tonga taty ambony ny tany Kristo Ieso hamonjy ny mpanota. 1 Timoty i. 15.
    Henoy koa izay lazainy S. Iohana.
    Ary raha misy manota, dia manana Solovava amy ny Ray isika, dia Ieso Kristo, Hay marina, ary Izy no avotra noho ny fahotantsika. 1 Iohana ii. 1.

Rehefa vita izany, dia hanao hoe ny Presbytera,
Asandrato ny fonareo.

Valiny.

    Asandratray amy ny Tompo izany.

Presbytera.

    Aoka isika hisaotra an’ Andriamanitra Tompontsika.

Valiny.

    Antonony sy mety hatao izany.

    Dia hanatrika ny Latabatry ny Tompo ny Presbytera ka hanao hoe,

ANTONONY dia antonony sally marina no mety hataonay indrindra izany, amy ny fotoana rehetra, sy amy ny fitoerana rehetra, dia ny hisaoranay Anao Tompo ô, Ray Masina,* Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay.
 

Comfortable Words

 

* Ny ten hoe Ray Masina dia ajanona amy ny Festan’ ny Trinitata.

    Dia hanaraka eto ny Sasin teny izay voatendry, fa raha tsy misy dia izao no hatao,

ARY amin’ izany dia miara-misaotra sy mankalaza ny Anaranao malaza izahay mbamy ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny mponina rehetra any andanitra, ka midera Anao mandrakariva hoe,

(Dia hotononina na hohirain’ ny mpiangona rehetra)

    Masina, masina, masina, ry Tompo Andriamanitry ny Sabaôta, manerana ny lanitra sy ny tany ny vonmahitrao: Ho Anao anie ny voninahitra, Tompo avo indrindra ô. Amena.
 

 

SASIN-TENY.

Amy ny Andro Kristmasy, sy ny hafitoana manaraka azy.

SATRIA efa nomenao Ieso Kristo Zanakao lahitokana ho teraka ho anay tamin’ izao fotoana izao; ka Izy, Lamy ny fiásan’ ny Fanahy Masina, dia natao ho olona tokoa avy amy ny Substantiany Maria Virjina reniny; ary ny tsy fananani-tsiny no anadiovany anay amy ny tsiny rehetra. Ary amin’ izany, &c.

Amy ny Andro Paska, sy ny hafitoana manaraka azy.

ARY dia tokony hidera Anao indrindra izahay noho ny nitsanganany Ieso Kristo Zanakao lahi tokana Tomponay tamy ny maty; fa Izy no Zanak’ ondry Paskaly marina tokoa, Izay naterina hisolo anay, ka efa nanaisotra ny fah otan’ izao tontolo izao; fa ny fahafatesany no nandravany ny fahafatesana, ary ny nitsanganany indray no namerenany ny fiainana mandrakizay ho anay. Ary amin’ izany, &c.

Amy ny andro Niakarana, sy ny hafitoana manaraka azy.

AMY ny alalany Ieso Kristo Zanakao malalanao indrindra, Tomponay; Izay dia niseho miharihary tunny ny Apostolony rehetra taorian’ ny Nitsanganany malaza indrindra Lamy ny maty, ary hitany niakatra any an-danitra Izy, hanamboatra fitoerana ho anay, mba hiakaranay koa any amin’ izay itoerany, hiaramanjaka aminyamy ny voninahitra. Ary amin’ izany, &c.

Amy ny andro Pentekosta, sy ny henemana manaraka azy.

AMY ny alalany Ieso Kristo Tomponay; fa araka ny teny fika-any marina tokoa, dia nidina avy tany an-danitra ny Fanahy Masina, tamin’ izao fotoana izao, tamy ny feo lehibe tonga tampoka toy ny rivotra mahery, mizarazara hoatra ny lel’ afo, ary nidina tambonin’ ny Apostolo, hampianatra sy hitondra azy amu ny fahamarinana rehetra; koa nanome azy fahaizana teny samihafa sy fahasahiana hazoto fatratra hitory ny Filazantsara amy ny firenena rehetra; ary izany no nitondrany anay hiala amy ny maizina sy ny fahadisoana ho amy ny fahazavana inadio sy ny tahalalana marina Anao sy Ieso Kristo Zanakao. Ary amin’ izany, &c.

Amy ny Festan’ ny Trinitata.

DIA Andriamanitra Iray, Tompo iray; nefa tsy Persona iray hiany, fa Persona telo amy ny Substantia iray. Koa izay inoanay ny amy ny voninahitry ny Ray dia inoanay ny amy ny Zanaka, sy ny amy ny Fanahy Masina, ka tsy misy tsi-fitoviana akory. Ary amin’ izany, &c.

    Ary rehefa vita ny anankiray amin’ ireo sasin-teny ireo, dia hohiraina na hotononina miarak’ amin’ izao.

ARY amin’ izany dia miara-misaotra sy mankalaza ny Anaranao malaza izahay mbamy ny Anjely sy ny Arkanjely ary ny mponina rehetra any andanitra, ka midera Anao mandrakariva hoe,

(Dia hotononina na hohirain’ ny mpiangona rehetra)

    Masina, masina, masina, Ty Tompo Andriamanitry ny Sabaôta, manerana ny lanitra sy ny tany ny voninahitrao: Ho Anao anie ny voninahitra, Tompo avo indrindra ô. Amena.

    Ary dia handohalika manatrika ny Latabatry ny Tampa ny Presbytera ka hanao izao Fivavahana manaraka izao hisolovava izay rehetra handra.y ny Komoniona Masina.
 

Proper Prefaces

TOMPO mamindrafo ô, tsy sahy manatona ity Latabatrao ity izahay matoky ny fahamarinanay, fa ny famindramponao maro sy lehibe no itokianay. Tsy miendrika izahay na dia hanangona sombi-mofo eo ambany ny Latabatrao akory aza. Fa Hianao no Tompo mamindrafo mandrakariva; Tompon’ ny fahasoavana ô, aoka ny fihinananay ny Nofony Ieso Kristo Zanakao malalanao sy ny fisotruanay ny Rany, no hanadiuvan’ ny Tenany ny tenanay feno fahotana, sy hanasan’ ny Rany saa indrindra ny fanahinay, hitoeranay mandrakariva ao anatiny, ary Izy ao anatinay. Amena.

    Rehefa namboarin’ ny Presbytera, mitsangana eo anatrehan’ ny Latabatra, ny Mofo sy ny Divay, mba hamakiany ny Mofo eo anatrehan’ ny olona sy handraisany ny kapoaka amy ny fanajana, dza hanao izao fivavahana Fanamasinana izao izy.
 

Prayer of Humble Access

ANDRIAMANITRA Tsitoha, Rainay any an-danitra ô, ny famindramponao tsara no nanomezanao any Ieso Kristo Zanakao Lahitokana hiaritra fahafatesana amy ny liazo-fijaliana ho fanavotana anay; ary teo no nanaovany fanalamboady sy fanatitra ary fankasitrahana ampy, sy tanteraka, ary sahaza noho ny fahotan’ izao tontolo izao tainy ny nanaterany fly tenany izay naterina indrai-mandeha; ary koa nanendry sy nandidy anay amy ny Filazantsarany Masina Izy, hampaharetanay ny fahatsiarovana mandrakariva ny fahafatesany soa indrindra mandra-pihaviny indray; Mifona aminao izahay, Ray mamindrafo indrindra ô, mihainoa anay; koa raha mandray ireto fanomezanao ireto izahay, dia ny mofo sy ny divay, araka ny nanendreny Ieso Kristo Zanakao Mpamonjy anay, ho fahatsiarovana ny fahafatesany sy ny fijaliany, dia aoka ho raisinay ny Tenany sy ny Rany isaorana: Fa Izy, tamin’ ilay alina namadihana Azy, dia *nandray Mofo; ary, rehefa nisaotra Izy, dia †no vakiny, ary nomeny ny mpianany, ka nataony hoe, Raiso, hano, ‡Ity no Tenako Izay omena ho anareo: Ity no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Ary tahaka izany rehefa vita ny sakafo dia §nandray ny kapoaka Izy; ary, rehefa nisaotra Izy, dia nomeny azy, ka nataony hoe, Misotroa amin’ ity hianareo rehetra; fa ||ity no Rako dia ny amy Testamenta vaovao, izay alatsaka ho anareo sy ny maro ho masy divay hohamasifamelan-keloka: Ataovy ity, na oviana na oviana hisotroanareo ity, ho fahatsiarovana Ahy. Koa amin’ izany, Tompo Ray any andanitra ô, dia manatitra ireto fanomezanao masina ireto izahay mpanomponao mietritena, ary manao eo anatrehan’ ny fiandriananao masina ny fahatsiarovana nodidian’ ny Zanakao hataonay, araka ny nanendreny Ieso Kristo Zanakao malalanao Mpamonjy anay, ka mahatsiaro ny Niaretany masina, sy ny Nahafatesany soa, sy ny Nitsanganany mahery, ary ny Niakarany malaza; ary misaotra Anao marina tokoa izahay noho ny fanomezanao tsy hita isa izay azony ho anay noho izany; Ary mifona aminao amy ny fiterentena izahay, Ray mamindrafo ô, mihainoa anay, ary amy ny fahatsaranao tsitoha, dia aoka ny Teninao sy ny Fanahinao Masina no hitahianao sy hanamasinanao ireto fanomezanao ireto, dia ny mofo sy ny divay, ho Tana sy Ran’ ny Zanakao malalanao indrindra. Ary maniry tokoa izahay mpanomponao mietritena, mba ho raisin’ ny fahatsaranao, Ray mamindrafo ô, izao fanalamboady fiderana sy fisaorana izao: Ka mangataka aminao izahay mietritena indrindra, aoka ny fahamiendrehany Ieso Kristo Zanakao sy ny fahafatesany, ary ny fahatokianay ny rany, no hahazoanay sy ny Ekklesianao ny faznelana ny helokay, sy ny fahasoavana rehetra avy amy ny fijaliany. Ary dia aterinay sy atolotray amin’ izao, Tompo ô, ny sainay sy ny fanahinay ary ny tenanay ho fanalamboady mety sy masina ary velona: ary mifona aminao izahay mietritena, aoka izay rehetra mandray ity Komoniona masina ity ho feno ny fitahianao avy any an-danitra. Ary na dia tsy miendrika hanatitra fanalamboady aminao akory aza izahay, noho ny fahotanay maro samihafa, nefa mifona aminao izahay mba hankasitrahanao ity fanompoana adidinay ity: Koa aza mandanja anay, fa mamelá ny fahadisoanay, amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay; Izay omem-boninahitra sy laza, amy ny firaisan’ ny Fanahy Masina, miaraka aminao, Ray any an-danitra ô, mandrakizay mandrakizay. Amena.

    Ary dia horaisin’ ny Ministera aloha ny Komoniona, ary, rehefa vita izany, dia atolony ny Episkopo, sy ny Presbytera, sy ny Diakona ary manaraka izany dia ny olona, mandohalika milamina tsara. Ary isaky ny anolorany Mofo ny olona tsirairay dia ataony hoe:
 

Eucharistic Prayer

 

 

 

 

 

 

  * Eto no raisin’ ny Presbytera ny Patena.
  † Ary eto no vakiny ny Mofo.
  ‡ Ary eto no apetrany amy ny mofo rehetra ny tánany.
  § Eto no raisiny amy ny tánany ny Kapoaka.
  || Ary eto no apetrany ny tánany amin’ izay misy divay hohamasinina.

NY Tenany Ieso Kristo Tompontsika, izay nomena ho anao, hitandrina ny tenanao sy ny fanahinao anie ho amyny fiainana mandrakizay. Hano ity, ho fahatsiarovana fa Kristo dia maty ho anao, ary hano ao am-ponao Izy aim ny finoana sy ny fisaorana.

    Ary ny Ministera izay mitondra ny Kapoaka hisotroan’ ny olona dia hanao amy ny olona tsirairay hoe:

NY Rany Ieso Kristo Tompontsika, izay nalatsaka ho anao, hitandrina ny tenanao sy ny fanahinao anie ho amy ny fiainana mandrakizay. Misotroa amin’ ity, ho fahatsiarovana fa ny Rany Kristo dia nalatsaka ho anao, koa misaora.

    Raha lany ny Mofo na ny Divay izay efa nohamasinina, nefa mbola misy tsy nandray, dia hanamasina hafa indray ny Presbytera, miantomboka amy ny teny hoe, Kristo Mpamonjy antsika tamin’ ilay alina, ka hatramy ny hoe, Ity no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, raha ny mofo no hamasinina; ary amy ny teny hoe, Rehefa vita ny sakafo, ka hatramy ny hoe, ho fahatsiarovana Ahy, raha ny Kapoaka no hamasinina.
    Ary rehefa nandray izy rehetra, dia hanatrika ny Latabatry ny Tompo ny Ministera, ary hametraka amy ny fanajana eo amboniny ny ambiny amin’ izay efa nohamasinina, ary hanarona azy lamba fotsy.
    Ary dia hiara-manao ny Fivavahan’ ny Tompo ny Presbytera sy ny olona.
 

 

RAINAY, Izay any an-danitra; Hohamasinina anie ny Anaranao; Ho tonga anie ny fanjakanao, Hatao anie ny sitra-ponao ety an-tany, tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. Ary mamelá ny helokay, tahaka ny amelanay izay meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amy ny fakam-panahy fa manafaha anay amy ny ratsy. Fa Anao ny fanjakana, sy ny hery, ary ny voninahitra, mandrakizay. Amena.

Ary ny Presbytera dia hanao hoe,

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay ô, misaotra Anao tokoa izahay, izay efa nandray araka izay mety ireo Mysterio masina ireo, satria efa sitrakao hamahana anay ny hanimpanahy, dia ny Tenany Ieso Kristo Zanakao Mpamonjy anay sy ny Rany soa indrindra, ka mampahatoky anay amin’ ireo ny fitiavanao anay, sy ny fahatsaranao aminay, ary ny fanaovanao anay ho sampana velona momba ny Tana mystikalin’ ny Zanakao, izay fiombonan’ ny mino, sy ho mpandova amy ny fanantenana ny fanjakanao mandrakizay noho ny nijalian’ ny Zanakao malalanao sy ny nahafatesany soa indrindra. Ary mangataka aminao izahay mietritena tokoa, Ray any an-danitra ô, hanampy anay amy ny fahasoavanao, mba haharetanay ao amin’ izany fiombonana masina izany, ka hanaovanay izay asa tsara rehetra efa namboarinao halehanay; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay, izay omem-boninahitra sy laza, miaraka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay, mandrakizay. Amena.

Dia hofononina na hohiraina ity,
 

Lord's Prayer

VONINAHITRA ho an’ Andriamanitra amy ny y avo indrindra, ary fiadanana ho ambony ny tany, ary fankasitrahana ho any ny olona anie. Midera Anao izahay, misaotra Anao izahay, mitsaoka Anao izahay, mankalaza Anao izahay, misaotra Anao noho ny voninahitrao lehibe izahay, Andriamanitra Tompo ô, Mpanjaka any an-danitra, Andriamanitra Ray Tsitoha.
    Tompo ô, Ieso Kristo Zanaka lahitokana; Andriamanitra Tompo ô, Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Zanaky ny Ray, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao, mamindrdfo aminay. Hianao Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao, mamindráfu aminay. Hianao Izay manaisotra ny fahotan’ iz o tontolo izao, raiso ny fivavahanay. Hianao Izay mipetraka eo an-tánana ankavanan’ Andriamanitra Ray, mamindráfo aminay.
    Fa Hianao irery hiany no masina; Hianao irery hiany no Tompo; Hianao irery hiany, Kristo ô, mbamy ny Fanahy Masina, no avo indrindra amy ny voninahitr’ Andriamanitra Ray. Amena.

    Izao dia hampirava azy amin’ izao Tsiodrano izao ny Presbytera (na ny Episkopo raha eo izy).
 

Gloria

NY fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo anie ao amy ny fahalalana sy ny fitiavan a an’ Andriamanitra, sy Ieso Kristo Zanany Tompontsika: ary ny fitahian’ Andriamanitra Tsitoha, Ray, sy Zanaka, ary Fanahy Masina, dia ao aminareo, ary mitoetra aminareo mandrakariva. Amena.

    Ary raha sendra tsy misy Komoniona, ka efa vita ny Fandatsahan-drakitra, dia mety raha hatao ny anankiray, na mihoatra noho izany, amin’ ireto Kolekta ireto. Ary azo atao koa ireto, rehefa vita ny Kolekta na amy ny Fivavahana Maraina na Hariva, na ny Komoniona, na ny Litany.
 

Final Blessing

TOMPO ô, atreho amy ny famindramponao ny fivavahanay, ary tariho lálana izahay mpanomponao, mba hahazoanay famonjena mandrakizay; ary aoka mba harovan’ ny fanampianao mahasoa indrindra izahay amy ny fiovaovana rehetra izay manjo anay amin’ izao fianana mandalo izao; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

TOMPO Tsitoha, sy Andriamanitra mandrakizay ô, mifona aminao izahay, aoka ho sitrakao hitondra, sy hanamasina, ary hanapaka, ny fonay sy ny tenanay, amy ny lálan’ ny lalá,nao, sy amy ny fankatoavanay ny didinao; mba harovan’ ny herinaoa ny tenanay sy ny fanahinay, ankehitriny sy mandrakizay; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay sady Mpamonjy anay. Amena.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, mifona aminao izahay, aoka ny teny, izay efa ran’ ny sofinay androany, halatsaky ny fahasoavanao ao amponay, mba hahavokatra fitondrantena tsara aminay, ho voninahitra sy fiderana ny Anaranao; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

TOMPO ô, aoka ny fitiavanao mahasoa indrindra hialoha anay sady hampandruso anay mandrakariva; ka aoka izay rehetra atombokay no hotanterahinay ao aminao ho lazanao sy ho voninahitrao, mba hahazoanay ny fiainana mandrakizay amy ny farany noho ny famindramponao; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

ANDRIAMANITRA Tsitoha, loharanon’ ny fahendrena rehetra ô, Hianao mahalala ny fahantranay na dia tsy mbola mangataka aza izahay, sy ny tsy fahalalanay raha mangataka; Koa mifona aminao izahay, mamindrdfo amy ny fahalemenay, ary aoka ho sitrakao hanome anay izay zavatra tsy sahinay angatahina noho ny tsi-fiendrehanay, ary izay tsy hainay angatahina noho ny fahajambanay; amy ny alalany Ieso Kristo Zanakao sady Tomponay. Amena.

ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Hianao efa nilaza fa hihaino ny vavaka atao amy ny Anaran’ ny Zanakao; Koa mifona aminao izahay, atongilano ny sofinao aminay izay vao nanao ny vavakay sy ny fifonanay taminao; ary aoka mba ho azonay tokoa izay zavatra nangatahinay amy ny finoana araka ny sitraponao, ho fampiononana anay, ary ho fampisehoana ny voninahitrao; amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

    Amy ny Alahady sy ny Andro Festa hafa (raha sendra tsy atao ny Komoniona) dia hatao izay rehetra efa notendrena eo amy ny Fanao amy ny Komoniona hatramy ny fahataperana ny fivavahana, Ho any ny Ekklesiany Kristo etc, mbamy ny anankiray, na mihoatra noho izany, avy amin’ ireo Kolekta ireo, ary vao hatao ny Tsiodrano.
    Ary tsy atao ny Komoniona Masina raha tsy misy hiara-mandray amy ny Presbytera.
    Ary ny mofo sy ny divay, raha tsy misy zoatokana, dia tsy maninona raha lafarina tsara no anaovana ny mofo ary ny ranom-boaloboka no anaovana ny divay.
    Raha misy ny mofo sy ny divay efanohamasinina, dia tsy azo entina hiala amy ny Fiangonana izany, fa ny Presbytera sy izay mpandray antsoiny no hihinana sy hisotro izany rehefa vita ny Tsiodrano; nefa kosa raha misy antony dia azo entina hiany.

 


 

Collects

NY FANAOVANA

NY KOMONIONAN’ NY MARARY.
 


 

    ¶ Satria be ny loza sy ny aretina mahazo tampoka ny olona rehetra ka tsy fantany akory izay andro hialany aina, koa amin’ izany dia tawny hazoto hananatra ny olona ny Ministera (indrindra fa raha sendra misy aretindrarsy na aretina mifindra), mba handray matetika eo amy ny Fiangonana ny Komonionan’ ny Tena sy ny Rany Kristo, mba ho voaomana izy amin’ izay sitrak’ Andriamanitra hiantsoana azy na oviana na oviana, sady hahakely kokoa ny ahiahiny, raha sendra avy tampoka ny aretina ka tsy misy ahazoany mandray ny Komoniona. Fa raha tsy afaka mankany amy ny fiangonana fly marary, kanefa ta-handray ny Komoniona ao an-tranony, dia hambarany amy ny Ministera izany alohan’ ny fotoana hanaovana azy ka holorainy ny isan’ ny olona izay hiaramandray aminy. Ary rehefa voavoatra ny zavatra rehetra dia hanomboka amin’ izao Kolekta sy Epistola ary Filazantsara manaraka eto izao ny Presbytera hoe:

Ny Kolekta.

ANDRIAMANITRA Tsitoha sy mandrakizay, Mpanao ny olombelona ô, Hianao mananatra izay tianao ka mikapoka ny zanaka rehetra izay raisinao; Mifona aminao izahay, mamindráfo amin’ ity mpanamponao ity izay voan’ ny tánanao, ary aoka izy handray ny faliarariany amy ny fiaretana ka hanaritra raha sitraponao izany, ary na oviana na oviana no hialany aina, dia aoka mba hatolotra eo anatrehanao, hy misy kilema, ny fanahiny amy ny alalany Ieso Kristo Tomponay. Amena.

Ny Epistola. Hebreo xii. 5.

ANAKA, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataony Iehovah, ary aza reraka raha resi-lahatra ny anatra ataony hianao. Fa izay tiany Jehovah no faizany, ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny.

Ny Filazantsara. S. Iohana v. 24.

LAZAIKO aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka ahy, dia manana fiainana mandrakizay ka tsy ho helohina; fa tafafindra niala tamy ny fahafafesana ho amy ny fiainana izy.
    Rehefa afaka izany, dia handroso hanao araka ny voatendry rahateo ao amy ny Komoniona masina ny Presbytera, manomboka amy ny hoe: Hianareo izay mibebaka marina, &c.
    Ary raha omby amy ny fanolorana ny Sakramenta masina, dia ny Presbytera no handray ny Komoniona aloha, ka dia hanolotra amin’ izay hiara-mandray amy ny marary, ary amy ny farany dia vao amy ny marary.
    Kanefa raha sendra misy olona tsy mahazo mandray ny Sakramentan’ ny Tena sy ny Rany Kristo noho ny hamafin’ ny aretina, na fisakanana hafa na inona na inona, dia hilazan’ ny Ministera ny marary, fa raha mibebaka tokoa amy ny fahotany, ary mino fatratra fa efa niaritra faha fatesana teo amy ny hazofijaliana hisolo azy Ieso Kristo ka nampilatsaka ny Rany mba hanavotra azy, ary raha mazoto mahatsiaro ny zava-tsoa izay azony noho izany izy, koa misaotra Azy amy ny fony, dia mihinana sy misotro ny Tena sy ny Many Kristo Mpamonjy antsika tokoa ho fahafinaretan’ ny fanahiny izy, na dia tsy raisiny am-bava aza ny Sakramenta.

Communion of the Sick

 
Return to the Book of Common Prayer in Malagasy

 

Web author: Charles Wohlers U. S. EnglandScotlandIrelandWalesCanadaWorld